Politique

Mponina eny Ankadimanga Handà ny Tanà-Masoandro hatramin’ny farany


  • Alakamisy 07 Novambra 2019

Anisan’ny kaominina voakasika amin’ny tetikasa Tanà-Masoandro ny eny Ankadimanga.

 

32 Ha no voalaza fa hototofana mandritra ny dingana voalohany ataon’ny fanjakana. Eo amin’ny vavarano izay novatsian’ny fitondram-panjakana teo aloha, roa taona lasa teo, vola 1 miliara ny fanamboarana izany kanefa eo mihitsy no manomboka ny Tanà-Masoandro. Araka ny fanazavan’ny solontenan’ny mponina eny an-toerana, ilay ampahany 32Ha no totofana kanefa Ankadimanga dia manana 472 Ha. Ny vavarano anefa no tapenana. Noho izany, tsy azo ampiasaina intsony ireo ambiny amin’ilay 472 Ha satria ireo tsy voatototra dia tafiditry ny rano ka mijanona tsy misy ilàna azy intsony.  Tsy hay rahateo izay faharetan’ny asa. Maro ireo antony mahatonga ny mponina eny Ankadimanga handà ny tetikasa. Voalohany, ny filoha Rajoelina dia nilaza fa tsy haka tanin’olona na dia iray dia aza. Tsy hivarotra tanindrazana kanefa hitam-poko sy hitam-pirenena fa hivarotra 100 Ha hahafahana manao fotodrafitrasa lehibe, izay marihana fa vahiny, hoy ity solontenan’ny mponina ity. Tranga toy izao no nahatonga ny fanenjehana ny filoha Marc Ravalomanana amin’ny fanotofana tany teo Andohatapenaka. Ny tenin’ny filoha Rajoelina teny amin’ny kianjan’ny  13 mey tamin’ny taona 2009 dia hoe averina amin’ny olona ny tanimbariny. Ankehitriny lasa kiaja Makis, fiantsonana… Manaraka izany, nilaza ny talen’ny APIPA fa henjehin’ny lalàna raha mivarotra tany amin’ny vahiny, kanefa mifanohitra amin’izany no zava-misy. Ny depiote Andry Ratsivahiny, fony izy kandidà nandritra ireny fampielezan-kevitra ireny, dia nanambara fa tsy hototofana ny tany. Amin’izao milaza fa manaiky indray ny eny Atsimondrano. Mivadibadika amin’ny teny nifanaovana moa ny fitondrana ankehitriny ka noho izany indrindra no mahatonga ny kaominina Ankadimanga mandà hatramin’ny farany ny tetikasa Tanà-Masoandro.

 

Marigny A.

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT