Politique

Mponina ao Mahitsy Mahatsiaro hiharan’ny tsindry hazo lena


  • Alatsinainy 09 Oktobra 2017

Tanteraka ihany na dia efa notoherin’ireo mponina teny an-toerana aza ny fifamindram-pahefana teo amin’ny filoham-pokontany ao Ankazo sy ny vaovao notendren’ny fitondram-panjakana handimby azy ny sabotsy teo.

 Manoloana ity fifamindram-pahefana voalaza ho noterena ity moa dia mangataka fanazavana amin’ny lehiben’ny distrika sy ny ben’ny tanàna ao an-toerana ireo mponina. Nilaza ny hanidy ny biraom-pokontany mihitsy moa ny sasany amin’izy ireo rehefa tsy mazava ny anton’ilay fanoloana ny filoham-pokontaniny. Mbola nanamafy rahateo i Victor Ratolojanahary, filoham-pokontany nalana amin’ny toerany fa tsy voaporofo ao anatin’ny didy navoakan’ny lehiben’ny distrika ny antony nanalana azy amin’ny toerany fa ny fokontany ao Ambohibe no voalaza tao ho nisy olana. Ary amin’ny tovana anefa no misy filazana hoe halana amin’ny toerako aho, hoy izy. Ankoatra izay, mitaraina koa ankehitriny ireo mponina ao Antanetibe Mahazaza, kaominina Mahitsy hatrany, manoloana ny tetikasa fandravana ny trano fonenan’izy ireo noho ny fanamboaran-dalana hatao eny an-toerana. Voakasiky ny fandravana io ny tranon’olon-tsotra sy ny biraom-pokontany, raha ny fampitam-baovao hatrany. Tetikasa iarahana amin’ny Sinoa moa izy ity mba hanatsarana ny lalana satria ao Antanetibe Mahazaza no misy ireo mpiompy akoho manatody lava ary ao no miainga ny atody hamatsiana faritra maro eto Antananarivo sy manerana ny nosy mihitsy aza.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT