Politique

Mponina ao an-dapa Manomboka be misabaka


  • Alatsinainy 05 Martsa 2018

Sarotra ny miala amin’ny mahazatra, hoy ny fitenenana izay. Moa va tsy toy ny efa nisy tamin’ireo taom-pifidianana hafa rehetra tany aloha sy fotoam-panjakana akaiky ho rava hatramin’izay ihany no sary hita asehon’ireo mpanao politika eto amintsika !

 Ireo mody mitabataba sy milaza azy ho mpanohitra etsy an-daniny maniry ny hisiana tetezamita ka nitabataba teo aloha fa tsy mety amintsika ny lalàmpanorenana misy ankehitriny. Nony nipetraka anefa ny adihevitra hoe andao ary ovana, mitabataba indray fa tsy tokony hatao ankamehana amin’izao akatoky ny fifidianana izao ny fanaovana izany. Etsy an-kilany koa anefa ireo mponina ao an-dapa, izany hoe eo amin’ny fitondrana dia efa hita ho misy manao adin’ny fetsy sy tsy te ho very seza. Mitabataba an’ireo mitonon-tena ho mpanohitra kanefa dia hita ho mifampiresaka sy mitsikitsiky amin’ireo lazainy fa mpanakana fampandrosoana ihany. Raha ny vaovao miely faramparany teo aza moa dia misy hatramina minisitra mihitsy nahiana ho anisan’izany ary antony mahatery ny fanomezam-baovao eny anivon’ireny rafitra ireny ankehitriny. Misy solombavambahoaka sy loholona nalaza ho mpanohana ny fitondrana koa aza efa hita ho manomboka manova firesaka rehefa atao anterivava na mivahiny amin’ireo haino aman-jery. Ho maro indray ireo palitao hivadika ho tazana ato ho ato fa manomboka be misabaka ao an-dapa raha izao fahitana azy izao.

J. Mirija

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT