Politique

Mpomba an’i Marc Ravalomanana Vonona hanao vy very ny aina hiaro azy


  • Alatsinainy 26 Desambra 2011

“Izay hisambotra ny filoha Ravalomanana, aoka hosamborina, izay hamono azy aoka hovonoina”, hoy i Fanantera Louis Longin, mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita na CST, ny sabotsy lasa teo tao amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka.

 Nambarany fa famakiana ady amin’ny ankolafy Ravalomanana ny fihantsiana ataon’ny sasany milaza fa rehefa tafody eto i Marc Ravalomanana dia “atao amin’ny fanaovana azy, hosamborina sy hogadraina”. Raha misy alaim-panahy amin’izany, na ny AV7 na ireo mpitandro ny filaminana dia izy no mamboly korontana eto Madagasikara, araka ny fanazavany satria ny fisamborana an’i Marc Ravalomanana dia fandravana ny maha Malagasy, hoy ihany ity mpikambana eo anivon’ny CST ity. Tetsy andanin’izany kosa dia nambaran’i Guy Maxime Ralaiseheno, mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita (CT) fa raha hisy fifandonana amin’ireo lazaina fa mpitandro ny filaminana amin’ny andro hahatongavan’ny filoha Ravalomanana dia tsy hihoatra ny fahefatr’adiny izany fifandonana izany dia ho rava ireo miaramila. Milaza fa vonona hanao vy very ny aina ireo mpomba an’i Marc Ravalomanana amin’ny fiarovana azy. An-dalam-pijerena ny antsipiriany ara-teknika moa ny komity mpanomana ny fitsenana ity filoha teo aloha ity amin’izao fotoana izao. “Tsy hokasihina ary tsy voakasik’iza na iza ny filoha rehefa tonga eto”, hoy ihany i Guy Maxime Ralaiseheno.

Ankoatra izay dia nasiany resaka ny momba ny olan’ny polisy sy ny mpitsara izay tsy mety ahitam-bahaolana hatramin’izao. Nambarany fa ny kolikoly no fototry ny olana. Nisy ny fivoriambe nataon’ny polisy, araka ny tati-baovaony ka tamin’izany no nanambaran’ireo farany fa dia “hotsoahinay hatramin’ny fotony Rajoelina raha tsy mandray fanapahan-kevitra”. Fa anisan’ny vaovao nampitain-dRandriamamiarizafy Ignace mpikambana eo anivon’ny Kongresy avy any Moramanga ny tranga fanangonam-bola ataona vondron’olona tsy fantatra any an-toerana. Raha ny fanazavany dia ireo vehivavy no nanaovana antso avo hoe ho fanampiana ka nasaina nandoa vola hatramin’ny 9 arivo Ar, nitondra sary tapaka sy dika mitovy ny kara-panondro. Voalaza fa tamin’ny 3 desambra no tokony ho nozaraina ilay fanampiana kanefa hatramin’izao dia tsy nisy izany. Fa nisy moa fangataham-panazavana natao tamin’ny minisitry ny mponina ka dia mbola miandry izay ho valin’izany ity mpikambana eo anivon’ny CT ity.
Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT