Semban-drahoana ny fampielezan-kevitra nataon’ny komity mpanohana ny kandida Edgard Razafindravahy any Bongolava tarihin’ny CST Haja Ramaherijaona. Ny roalahy maty voatifitra tao Tsinjoarivo 22, Distrikan’i Fenoarivobe omaly. Fanao mahazatra amin’iny faritra iny ny manapoaka basy rehefa misy lanonana. Tsy voafehin’ilay olona nanao izany anefa ny basy lava teny an-tanany, izy koa anefa atomotra ny olona loatra, ka dia niantefa avy hatrany tamin’olona teo akaiky teo ny bala. Lavo tamin’izany ny roa tamin’ireo mpanohana an’i Edgard, ka ny iray voatifitra teo amin’ny lohany, ny faharoa kosa teo amin’ny tratrany. Nezahana nentina hamonjy hopitaly tao Tsiroanomandidy saingy teny an-dalana dia tsy tana ny ain’izy ireo. Ankoatra ireo dia nisy ny naratra, tapa-tanana. Efa eo ampelan-tanan’ny zandary ny raharaha ary misokatra ny fanadihadiana. Marihina fa teny Antanikatsaka Itaosy ny kandida Edgard no nanao fampielezan-keviny omaly.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.