Politique

Mpomba an’i Dada Hanao fihaonambe eny Ilafy


  • Talata 21 Jona 2016

Ho ambohipihaonan’ny mpomba ny filoha teo aloha sady filoha nasionalin’ny antoko Tiako I Madagasikara,

 

Marc Ravalomanana eny amin’ny FOFIKRI Ilafy ny 2 jolay ho avy izao. Fihaonambe famondronana hery, fanehoana firaisankina ary ho fampaherezana ny filoha Marc Ravalomanana, manoloana ireo adidy maro sahaniny ho fanasoavana ny mpiarabelona sy ny firenena io, hoy ny komity mpikarakara. Fihaonana fifampizaram-baovao sy fifanentanana amin’ny dingana hatao hiatrehana ny ho avy, ankoatra ny fialamboly sy fiaraha-mifaly ihany koa. Hisy ny zavatra ilaina sy mifanentana amin’izay fialamboly sy fiaraha-mifaly izay eny an-toerana amin’io andron’ny sabotsy 2 jolay io, hoy hatrany ny komity mpikarakara. Tsy ny mpomba an’i Dada sy ny Tiako i Madagasikara eto Antananarivo sy ny manodidina ihany no andrasana amin’io fihaonambe io fa avy amin’ny lafivalon’ny Nosy mihitsy, hanehoana fa maro an’isa ny mpanohana an’i Marc Ravalomanana, ary henika azy ireo i Madagasikara.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT