«Raha velona aho dia velona amin’io sabotsy io, raha maty dia maty amin’io sabotsy io», hoy ny mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita Longin Fanatera.
Raha hisy hanakana ny fahatongavan’ny filoha Ravalomanana rahampitso sabotsy, hoy ity zanak’i Beloha Androy ity dia ho tsotsorimamba hisarahana amin’ny fiaraha-mitantana ny firenena izany. Nanao antso amin’ireo olom-boatendry rehetra namany avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ny tenany mba handray andraikitra satria anisan’ny iankinan’ny filaminana na tsia izy ireo, araka ny fanazavany. Raha izany no dinihina dia tsy vitsy ireo mivonona ny hanao vy very ny ainy amin’io rahampitso sabotsy io. Andro iray izay hanamarika dingana goavana amin’ny fitantanana ny firenena, hoy ny CST Ramarosonarivo Jeanson.
Hiditra am-pilaminana sy hitondra filaminana ny filoham-pirenena rehefa tonga eto, hoy izy. «Handray an-tanana ny fiainam-pirenena, miaraka amin’ireo hevi-baovao notovoziny tany ivelany tany. Ho tonga masiaka sy matanjaka ho an’ny fanavotam-pirenena izy», hoy ihany ity olon’ny Mafana ity. Tetsy andanin’izany dia nampitandrina ny CT Randriamamiarizafy Ignace avy any Mangoro manoloana ireo famendrofendroana. «Am-pilaminana sy am-pitiavana no hitsenanay ny filohanay koa ho an’ny sasany izay milaza azy ho mpitandro ny filaminana. Tompon’andraikitra tanteraka amin’izay loza mety hitranga eto amin’ny firenena, ary hotsarain’ny taranaka ianao», hoy i Ignace. Mandeha tokoa manko ny feo fa eny an-dalana dia hisy hanakana ireo olona avy any amin’ny faritra, araka ny vaovao nampitain’ny CST Rodin Rakotomanjato. «Hifankahita isika amin’ny sabotsy. Sakano dia ho hitanareo. Andramo dia midira fa ialanay tsiny fa tsy izahay no hiavian’ny fanafintohinana», hoy izy nanamafy. Telo taona niandrasana sy nijaliana ny vahoaka, hoy izy ka tsy hisy hanaiky lembenana.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.