Miandry fatratra izay mety ho tohin’ny fihaonan’ny filohan’ny FAT Rajoelina sy ny filoha teo aloha Ravalomanana ny any Tolagnaro.
Tsy azo tsinotsinoavina io raha tiana ny hisian’ny filaminana eto Madagasikara. Nivoitra io nandritra ny fihaonan’ny Zanak’i Dada any Tolagnaro ny faran’ny herinandro teo. Amin-dry zareo dia midika ho fahatahorana ny fiverenan’ny filoha teo aloha ny fametrahan’ny flohan’ny FAT fepetra vaovao alohan’ny fihaonana, na tsy mbola voafaritra mazava tsara ny fotoana sy ny toerana hanatanterahana azy io. Izay eo ihany fa anisan’ny nampiahiahy ireto Zanak’i Dada ireto ny fivoizan’ireo tomponandraikitry ny antoko GMMR (Gasy Mandala ny Marina sy ny Rariny) tarihin’i Yves Aimé Rakotoarison, any amin’ny faritra Anôsy, fa mbola iray ihany ny GMMR sy ny Tiako I Madagasikara mba hanasana ny atidohan’ireo Zanak’i Dada. Ifandrotehan’ny TIM sy ny GMMR ireto mpomba an-dRavalomanana ireto.
Manjavozavo amin’izy ireo rahateo ny hoe miara-dia amin’ny FAT ve ny GMMR sa mbola mialokaloka eo ambany elatry ny TIM ? Fanirian’izy ireo, araka izany, ny hahatongavan’ny mpitarika ny ankolafy Ravalomanana sy ny birao foiben’ny Tiako I Madagasikara, miara-dia amin’ny filoha Marc Ravalomanana any an-toerana hahafantaran’izy ireo marina ny vaovao manodidina ny raharaham-pirenena. Na izany aza dia manamafy ny Zanak’i Dada any Anôsy fa manohana hatrany ny hetsika hamerenana ny filoha Marc Ravalomanana eto an-tanindrazana ary manohana ny filatsahan-kofidiany indray hitantana ny firenena.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.