Tonga ny valin-kafatra avy any amin'ny minisitry ny fitsarana taorian'ny fivoriana tatsy Pretoria. Tsy ho vita mialoha ny 29 febroary izany ny fandinihana sy fandaniana ny volavolan-dalàna momba ny famotsoran-keloka, hoy ny minisitry ny fitsarana Christine Razanamahasoa
Mbola maro be ny dingana tsy maintsy andalovana amin'izany sy ireo pitsopitsony tsy maintsy arahana ka sarotra ny hino fa ho tratra io fe-potoana io, hoy ihany izy. Raha ny fandinihako azy dia fampirisihana antsika handinika haingana io resaka famotsoran-keloka io no tanjon'ny SADC raha nanome io fe-potoana io, hoy ny minisitry ny fitsarana, ary tsy midika izany hoe tsy maintsy henjehina io datin'ny 29 febroary 2012 io. Fa nibosesika naneho hevitra manohitra avy hatrany ny mety ho fodian'i Marc Ravalomanana an-kalalahana, mialoha ny 29 febroary koa ireo mpanao politika manohana an'i Andry Rajoelina ary namerimberina fa tsy mbola fotoana tokony hiverenan’ity filoha teo aloha ity an-tanindrazana izao.
Momba ny resaka famotsoran-keloka kosa, nanamafy ireto mpomba an-dRajoelina ireto fa azo dinihana tsara eny anivon'ny Parlemanta izany. Tsy tokony hadino anefa, hoy izy ireo fa efa nisy ny fehin-kevitra avy any amin'ny fihaonambem-pirenena, roa taona lasa izay momba azy io, ka tokony horaisina sy hodinihana koa. Tsy dia ankasitrahan'izy ireo loatra ilay hoe famotsoran-keloka faobe, fa dia ny famotsoran-keloka misy sivana no metimety amin'izy ireo. Atoa Norbert Lala Ratsirahonana, mpahay lalàna sady solontenan'ny filohan'ny tetezamita nivory tany Pretoria ihany koa dia nilaza, omaly fa azo dinihana ny hanomezana an-dRavalomanana famotsoran-keloka na tsia, fa dia arakaraka ny hevitry ny Parlemanta ihany io.
Raha ny filazany azy aloha dia tsy tokony havela hiditra malalaka eto, Atoa Ravalomanana ary mila dinihana ihany koa ny fodiana fa tsy hoe atao maimaika. Manaporofo izany rehetra izany fa hanao izay rehetra azony atao hanakanana ny fiverenan'ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana eto Madagasikara i Andry Rajoelina sy ny mpiara-dia aminy, ary tsy hanaiky fifampiraharahana hikarohana marimaritra iraisana amin'izany mihitsy. Mody fanina izy ireo amin'ny fanambaran'i Marius Fransman, milaza fa fitsarana politika no natao tamin'ity filoha teo aloha ity ka noho izany tokony hofoanana ny fanamelohana azy. Ary raha ny fandinihana ny fifandanjan-kery eny amin'ny CT sy ny CST dia tsy maintsy ho lany izay volavolan-dalana tohanan'ny ankolafy Rajoelina sy ny ekipany, satria maro an'isa izy ireo. Tsy ho mora, araka izany, ny fiverenan'ny filoha Ravalomanana eto mialoha ny 29 febroary 2012 ary tena mila fahamalinana sy fahamailona avy amin'ireo mpiara-dia aminy. Sao lahy ka misy vela-pandrika any ambadibadika any !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.