Miverina eo amin`ny tontolo politika amin`izay ny filohan`ny tetezamita teo aloha, Andry Rajoelina, ary efa ampy azy izay ny fotoana nanginana sy tsy nitenenana nandritra ny efa-taona.
``Tsy resy akory ny olo-mangina`` raha ny nambarany tamin`ny fahatongavany teto an-tanindrazana ny alahady lasa teo. Mitovy fijery aminy kosa ve ireo mpiara-dia aminy indrindra ireo tamin`ny 2009. Aiza ireo mpiara miketrika tamin`izy nihazakazaka nitady fahefana sy nandrobaka ny fahefana ? Raha ny tsikaritra, toa olom-baovao no ankamaroan`ireo tonga nitsena azy. Aiza daholo ry andriamatoa isany Norbert Lala Ratsirahonana, Monja Roindefo, Lahiniriko Jean, Theodore Ranjivason, jeneraly Rasolosoa Dolin ? Aiza avokoa ireo miaramila manamboninahitra toy ny kolonely isany Andrianasoavina Charles sy Lylison de René izay tena nampiteny ny anarany tamin’ny tetezamita ? Aiza ny depiote Ninah voafidy tao Mahajanga I, ny depiote Lanto Rakotomanga, Tinoka Roberto sy Rafenomanantsoa Ny Aina (Anyah) ? Lasa aiza koa i Nhiry Lanto Andriamahazo anisan’ny tena tanan-kavanan-dRajoelina fahiny. Ny depiote Rossy moa nanao fampisehoana ka tsy tonga nitsena teny Ivato ? Lasa vitsy sisa ireo olon’ny TGV fahiny sahy mijoro miaraka amin’i Andry Rajoelina ankehitriny. Mety maro ny eritreritr’i Andry Rajoelina ao an-tsainy ao fa moa ve mbola ao an-damosiny avokoa ireo mpanara-dia azy hatrizay sa efa samy naka ho azy ?
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.