Politique

Mpivarotra eto an-drenivohitra Mikomy tsy manaiky ilay fanisana vaovao avokoa


  • Zoma 20 Mey 2016

Mikomy tsy manaiky ilay fanisana vaovao avokoa ireo mpivarotra manerana ny Boriborintany enina eto an-drenivohitra.

Taorian’ireo mpivarotra etsy Andravoahangy sy Petite Vitesse dia nihetsika ihany koa omaly ny tetsy Soamanatombo sy  Namontana. Mitovy avokoa ny olan’izy ireo.  Lohalaharana amin’izany ilay fanisana vaovao ataon’ny kaominina izay milaza fanambarana ho mpivarotra fa tsy  fanambarana amin’ny maha mpivarotra. Mampatahotra anay ny ao ambadik’izany, hoy ireo mpivarotra etsy Soamanantombo. Faharoa ny fitsipika hapetraky ny kaominina mifandraika amin’izany izay notsindrian’izy ireo fa tsy mazava nefa hampanaovina sonia azy ireo. Ny 80 %-n’ireo mpivarotra, hoy Rahantamalala, delegen’ny mpivarotra etsy Soamanantombo dia  tsy mahay teny frantsay avokoa nefa teny frantsay no nandefasan’ny kaominina  ny taratasy mirakitra ilay fitsipika tany amin’izy ireo. Nilaza ny hamadika izany ho teny gasy ny kaominina saingy mbola tsy nisy valiny hatramin’izao. Fahatelo  sady farany dia ilay lelavola 1.5000 Ar hanamboarana ilay karatra matihanina ho an’ny mpivarotra izay notsindrian’izy ireo fa tsy tokony hampitoviana satria samy manana ny entana hamidiny ny mpivarotra. Nanambara moa ireto mpivarotra etsy Soamanantombo ireto fa efa nisy ny fihaonana in-droa miantaona teo amin’izy ireo sy ny kaominina saingy tsy mbola hita 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT