Mampitsangam-bolo ny nandre ny vaovao. Haparitaka any amin’ireo firenena zanatany frantsay teo aloha ireo mpifindra monina syriana, mitsoaka ny ady any Syria. Re fa anisan’ny (nanaiky ?) hampiantrano azy ireo i Madagasikara.
Avo lenta
Sarotra ny nanamarina ny vaovao, f’izay anontaniana samy milaza ho tsy mahalala ny fisian’izany. Resaka avo lenta aloha izy ity ary azo sokajiana ho tsiambaratelom-panjakana, ka tsy ary ho fantatr’izao rehetra izao. Any amin’ny parlemantera ny baolina raha hanokatra fanadihadiana mikasika ny fisiany na tsy fisian’izany izy ireo, hampazava ny resaka. “Ny rindrina aza, manan-tsofina” ary “ny teny toy ny atody, raha foy manan’elatra” ka dia tonga eny amin’ny mpanao gazety eny ihany ny resaka. Malaza ho mahay mandray vahiny rahateo moa i Madagasikara. Manamafy izany ilay ohabolana malaza hoe : “Tsy toy ny ranon’Ikopa, ka tonga namana vao mavomavo”. Ireo no mahafaoka ny zava-misy ankehitriny hatramin’ny nanokafan’ny fitondrana HVM ny lanitr’i Madagasikara. Ny zava-mitranga eto amin’ny firenena tato ho ato rahateo toa manalasala be ihany, ary ny ahiahy tsy ihavanana. Nahena ary nisy nofoanana ny ankamaroan’ny sidina nataon’ny kaompania Malagasy Air Madagascar mankany ivelany. Avy eo dia nosokafana ny lanitr’i Madagasikara hidiran’ireo kaompania vahiny hiasa eto Madagasikara. Ny kaompania tiorka Turkish Airlines no anisan’ny nisitraka voalohany an’io fisokafana io, ary efa tamin’ny 15 desambra 2015 no nanomboka ny sidina mampitohy an’i Istanbul amin’Antananarivo. Fiaramanidina lehibe iray Airbus A340-300 nitondra mpandeha 96 no nisantatra io sidina voalohany io. Talohan’io dia nahazo fankatoavana ny hanorenana Mosquée an’arivony amin’ny faritra samihafa eto amin’ny Nosy.
Tiorkia,Syria,Eoropa
Firenena silamo ny Tiorka, ary firenena eoropeanina fandosiran’ireo mpitsoaponenana syriana betsaka indrindra. Tsy resahina ny setrasetra mampifanolana an’i Torkia amin’i Rosia. Tsy tongatonga ho azy avokoa izany, fa mifampitohy. Ho sarotra amin’i Torkia ny hiahy ireo mpitsoaponenana zavontany tonga any aminy, fa mety hitadiavany hevitra ny hanambatambazana azy ireo ho any an-toeran-kafa hovatsiana vatsy kely. Ho anisan’ireny firenena na tany hampanatenaina ireny i Madagasikara. Ankoatra ireo dia hampiantrano 24 000 amin’ireo mpitsoaponenana ireo ihany koa i Lafrantsa ao anatin’ny roa taona, araka ny nifanarahan’ireo firenena Eoropeanina tamin’ny septambra 2015 tany Bruxelles. Hataon’i Lafrantsa ahoana avokoa ireo ? Ny azy aza manahirana azy ireo tsy an’asa izay tsy mitsaha-mitombo isa, efa mananika ny 6 510 000 tamin’ny janoary 2016 teo. Izay ve no mampisy ny resaka fa halefa any amin’ireo zanatany frantsay taloha ireo mpitsoaponenana tokony ho anjaran’i Frantsa ireo, ka any Torkia ihany no fiaingana.
Toy ny mpizahatany, araka ny filazan’ny minisitra Andriantiana Jacques Ulrich azy izay, izy ireo rehefa tonga aty Madagasikara saingy mpizahatany mpilanja sakaosy, izay tsy iza fa mpitsoaponenana hanorina fiainana vaovao aty Madagasikara, hitondra ny kolontsainy sy hampanjaka izany ary mety ho izy no anisan’ny hifehy ny toekarena eto, toy ny efa ataon’ny vahiny amin’izao, raha miesona lava eto ny Malagasy.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.