Politique

Mpitondra tsy mahavaha olana Miverina indray ny Delestazy


  • Zoma 22 Aprily 2016

Fanamboarana ny tambajotra, fikojakojana ny fitaovana, tsy fahampian’ny tosiky ny rano, tsy fahampian’ny angovo vokatra…

 

Anisan’ny fialan-tsiny hanamarinana ny fisian’ny delestazy isan’andro manerana faritra maro eto amin’ny nosy ataon’ny Jirama ireo. Io fanafoanana ny delestazy io anefa no fampanantenan’i Hery Rajaonarimampianina fa ho vita ao anatin’ny fotoana fohy.

Antananarivo, Antsirabe, Toamasina

Samy nahatsapa ny teto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina fa tapaka matetika isan’andro, indrindra fa rehefa amin’ny tolakandro ny herinaratra. Misy fotoana 5 minitra, mety 15 minitra fa ny omaly alakamisy kosa dia 3 ora be izao ny fahatapahana raha ho an’ny faritra sasany teto an-drenivohitra, anisan’izany Anosy, Andrefan’Ambohijanahary, Soanierana, Ankadimbahoaka, Tanjombato, Andoharanofotsy. Toerana tena be orinasa ireo ka miteraka fatiantoka ho an’ny orinasa ny fahatapahana mandritra ny ora telo. Tsy nisy tselatra na kotroka na oram-baratra anefa io omaly io. Re koa avy eo fa tapaka tahaka izany na dia tsy naharitra ora maro aza ny jiro tany Antsirabe ary efa ho herinandro, hoy ny mponina any an-toerana no misy isan’andro ny delestazy. Ny any Toamasina koa dia tapaka 5 ka hatramin’ny 15 minitra miverimberina matetika isan’andro ny jiro. Ilay fanovana governemanta ve no mahatonga ny delestazy sa inona ihany ? Raha fantatra fa efa tsy ampy ny angovo vokatra, izany hoe tsy mahaleo ny tinady ny tolotra dia inona no tsy ikarohana vahaolana matotra sy maharitra ? Tamin’ny voalohany, nambara fa tsy ampy ny milina mpamokatra. Rehefa tonga ireo gropy 52 teny Antanandrano, nipoitra indray ny resaka olana ara-tsolika ampandehanana azy. Nafindra eny Behenjy indray avy eo fa hoe mitabataba ka tsy zakan’ny mponina. Fa tsy mba mahay mandinika mialoha ny tena tokony hataony mihitsy ary ve ny ao amin’ny Jirama sy ny minisiteran’ny angovo e ? Efa fantatra fa tsy manam-bola ny fanjakana. Na izany aza, adidin’ny filoham-pirenena sy ireo mpiara-miasa aminy no mikaroka vahaolana amin’ny sehatra saropady tahaka ny angovo. Rehefa io mantsy no misy olana dia mandringa ny asa fampandrosoana ary mety ho avy koa ny fipoahana ara-tsosialy rehefa tezitra eo ny olona.


RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT