Re ihany koa ankehitriny fa ao anaty lisitry ny hosamborina i Paul Rabary, minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha.
Ny BIANCO no voalaza fa hanatontosa ny fanadihadiana ary tsy izy irery fa mbola maro ireo minisitra tamin’ny fitondrana HVM izay voasaringotra. Raha ny mety ho fandehan’ny raharaha aza dia ho tonga hatrany amin’ny zanaky ny filoha teo aloha ny fanadihadiana satria nisy famotsiam-bola an-jatony miliara maro mety hahakasika azy, hoy ny loharananom-baovao. Ho an’i Paul Rabary dia tsiahivina fa kandida filoham-pirenena izy taorian’ny nisintahany tao anatin’ny HVM. Asa na misy hidirany amin’izany ny resaka fampiasam-bola tamin’ny fifidianana filoha, ankoatra ny mety ho zavatra ahitana hirika hanenjehana tamin’ny fitantanana ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena. Tsy midika fa meloka avy hatrany anefa izy fa ny fanadihadiana sy famotorana no mamaritra izany. Tsimpontsimponina tsikelikely amin’izao ireo olon’ny fitondrana teo aloha mety hiditra ao anaty raharaha maloto sy afera tsy mazava, indrindra fa resaka volam-panjakana. Raha ny resaka tsenambaro-panjakana dia efa nambaran’ny fanjakana fa ny 53% ho an’ny taona 2017, dia tsy ara-dalàna avokoa. Volabe 1157 miliara ariary no very tamina resaka tsenan’asam-panjakana tsy ara-dalàna. Nampidirina am-ponja vonjimaika ny mpandraharaha Mbola Rajaonah, nokarohina hanaovana fanadihadiana ny minisitra teo aloha Henry Rabary Njaka, izay misy dosie 3 no voalaza fa hanenjehana azy dia resaka fakana volabe tao amin’ny Banky BGFI, ny fitantanana tsy mazava ny Air Madagascar, ny raharaha Kraomita Malagasy nisy fifanarahana tamin’ny Rosianina… Henjehina noho ny dosie mombana tsenambaro-panjakana tsy nisy antso tolo-bidy (Appel d’Offre) tany Antsiranana II ny taona 2017 nisiana volabe 1000 000 000Ar voalaza fa voahodinkodina ihany koa ny praiminisitra teo aloha Mahafaly Solonandrasana Olivier. Tompon’andraikitra roa teo anivon’ny primatiora tamin’izany no re fa naiditra am-ponja vonjimaika ny faran’ny febroary teo, ary tamin’iny faran’ny herinandro iny ihany koa no re fa nalain’ny Bianco am-bavany Atoa Mahafaly Solonandrasana Olivier. Betsaka ny lisitr’ireo hohenjehin’ny fanjakana Rajoelina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.