Politique

Mpitondra sy vahoaka Be loatra ny elanelana, mikatso ny asa fampandrosoana


  • Talata 31 Oktobra 2017

Tsikaritra amin’ny fisian’ny valanaretina pesta amin’izao fa misy olana eo amin’ny serasera sy fifandraisana,indrindra eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka amin’ny ankapobeny.

Maro ny Malagasy no misalasala na tsy mino ny fisian’ny pesta. Efa misy anefa ny maty an-jatony sy marary eny amin’nytoeram-pitsaboana maro samihafa.Porofon’izany ny olana nitranga tany Toamasina ny faran’ny herinandro teo momba ilay mpamily tsy nanaiky ny hotsapana hafanana azy sy ny olona tao anatin’ny fiara nentiny ka tsy maintsy nisamborana azy. Iny indray avy eo no nitarika savorovoro satria tezitra ny mpiray tanàna taminy ka nandrava ilay « barrage sanitaire ».Mety ho antony mahatonga ilay tsy fahatokisana ilay fisian’ny elanelana be loatra eo amin’ny manampahefana sy ny vahoaka.Vitsy ny minisitra na lehibena andrim-panjakana na ireo olona manana toerana ambony no mifanerasera mivantana sy matetika amin’ny vahoaka fadia any anaty fahitalavitra no ahitana azy ireo na re amin’ny onjampeo.Amin’ny andavanandro dia efa mahazatra ny mahita fiara raitra miaraka amin’ny jiro sy ny kiririoka mitrifana etsy sy eroa. Ny rehetra miandry sy mandefitra fa ireny fiara na manampahefana ireny koa dia manao izay maha mety sy mahaingana ny diany.Mitarika fahasosorana amin’ny olona anefa ny tranga tahaka ireny rehefa miverimberina isan’andro. Tsy olana raha amina vanim-potoana lehibe tahaka ny fetim-pirenena na fivoriana goavana na fandehanan’ny filoham-pirenena ho any ivelany. Ny olana dia isan’andro no mikotaba eraky ny tanàna ny karazana fiara raitra ary manery ny fiara rehetra hikisaka na amin’ny firy io na amin’ny firy.Efa voatondro anefa fa ny lehibena andrimpanjakana ihany no afaka manao tahaka izany fa tsy ny manampahefana rehetra.Ny Malagasy maro no mihamahantra, maro be ny mitrongy vao homana isan’andro, tsy tambo isaina ny hery setra, fanendahana, vaky trano, fanolanana..kanefa toa izay manampahefana ihany no tsara ambina sy mahazo tombontsoa isan’andro.Vokatr’izay dia tsy manana ilay fahazotoana hifanome tanàna amin’ny fanatanterahana ny fandaharan’asan’ilay fitondram-panjakana ho fanarenana ny firenena ny olona satria mampiseho toetra manambony tena loatra ny mpitantana azy ireo.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT