Mifampitandroka amin'ny resaka dosie ambara fa maloto ny mpanao politika. Havoakanay fa nitory an-dRavatomanga sy Rajoelina tamin'ny fanondranana boaderozy i Profesora Zafy Albert,
hoy i Tabera Randriamanantsoa ny sabotsy lasa teo nandritra ny fanambarany fa manana ny dosie. Dosie matevina mikasika trafikana harem-pirenena izy io, raha ny filazany. Any amin’ny Kongresin’ny mpanohitra izay nambara fa tsy ho ela no hamoahana io dosie goavana mombana trafikana harem-pirenena io. Nambarany koa ny hoe : “tsy tanin’ny dadanao ny tanindrazana ka homenao ny vahiny” eo anatrehan’ny tetikasa hanomezana tany hampiasain’ny Arabo.
CUA, Tiko
Tany amin’ny propagandy ihany koa dia efa nivoaka ny resaky ny olon'ny fitondrana fa hisy ny fanadihadiana atao ao amin'ny kaominina Antananarivo, raha ny ekipan’ny mpitondra no tonga eo. Ny hamelezana an'i Rina Randriamasinoro ary mety ho tonga any amin-dRtoa ben’ny tanàna teo aloha Lalao Ravalomanana sy ny filoha teo aloha Ravalomanana no tanjona ao anatin’iop. Ao koa ny resaka hetran’ny orinasa Tiko novoizina foana tany aloha. Tsy manahy na kely akory aza ny tenako, hoy ny Tale ara-bola sady efa Sekretera jeneralin’ny Kaominina ihany koa teo aloha Rina Randriamasinoro. Efa nisy mpanolontsaina mpanohitra tao tamin’ny andronay niantso Bianco sy IGE (Inspection Générale de l’Etat) fa nilamina tsy nisy na inona na inona tao, ary asako izany manao “audit” izany teo aloha, ka fantatro izay nataoko, hoy izy.
KRAOMA
Ankoatra izay, ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina sy Atoa Henry Rabary-Njaka ihany koa io voatonona tampoka io amin’ny resaka kraoma io rehefa nihetsiketsika ny antoko HVM, nitanisa ireo ambarany fa fandikan-dalàna ataon’ny fanjakana ankehitriny. Somary nafampana ny raharaha taorian’ny fihaonana nataon-dRavalomanana sy Rajaonarimampianina tany Parisy ny 10 desambra 2019. Niha nangotraka ny fifanolanan’ny antenimierandoholona tarihin-dRakotovao Rivo izay HVM no maro an’isa sy ny fanjakana Rajoelina, ka teraka ny krizin’andrim-panjakana eto.
Fitsarana
Efa mijoro sy miasa ny HCJ na ny rafim-pitsarana afaka mandinika sy mitsara ireo manampahefana eto amin’ny firenena, ary efa misy tokoa ny dosie an’olona nitantanana teo aloha dinihana ao, raha ny fantatra. Ireo tsy manampahefana kosa dia anjaran’ny fitsarana isan-tsokajiny no manao ny asany, raha kolikoly narahana fitoriana ohatra dia eo ny Bianco sy ny PAC; raha famotsiam-bola eo ny Samifin hanadihady, koa dia andrasana ny ho tohiny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.