Naka lesona tamin’ny fanonganam-panjakana ny taona 2009 lasa tetezamitatra hatramin’ny taona 2013 ny fiaraha-monina Malagasy.
Antony mahatonga azy tsy rototra intsony amin’ireo karazana fanehoan-kevitra tarihan’ireo mpanao politika mihazakazaka hanenjika seza eo amin’ny fitondrana, hoy ireo mpandinika ny fiainam-pirenena. Mila mailo amin’ny fanapahan-kevitra raisina ihany koa anefa ny mpitondra fanjakana nampindramin’ny vahoaka fahefana. Efa mihoatra ny tokony ho izy mantsy ny fihetsika nasehon’ireo tompom-pahefana amin’izao fotoana izao raha tsy hilaza afa-tsy ny fanampenam-bava ankolaka amin’ny endriny samihafa mianjady amin’ny mpiray tanindrazana ankehitriny. Tsy hitondra fahalemana eto Madagasikara velively mihitsy ny fanaovana tsinontsinona na ny fampiasan-kery amin’ny vahoaka Malagasy sy ny fananany. Tsy nisy rahateo mpitondra fanjakana naharitra nitantana firenena taorian’ny fanaparam-pahefana mihoampampana nataony izay niongana na naongana hatrany raha ny tantara nisy teto Afrika sy ireo tranga manokana niseho teto Madagasikara, araka ny fanamarihan’ireo manam-pahaizana momba ny fiaraha-monina.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.