Politique

Mpitondra nampanjaka vahoaka Saika maty nisy namono avokoa


  • Talata 09 Aogositra 2016

Faha-16 tamin’ny filoham-pirenena Amerikanina ary niezaka nampandray anjara ny vahoaka nentiny tao anatin’ny raharaham-pirenena tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha-19 i Abraham Lincoln.

Nampiavaka ity filoham-pirenena ity ny fanoherany ny fanandevozana tamin’izany fotoana na dia fotsy hoditra aza izy. Ara-tantara, noho ny ezaka nataony hampiray hina ny mainty sy ny fotsy hiaraka hampandroso an’i Etazonia no anisan’ny antony lehibe namonoan’ireo tsy mataho-tody azy ny 14 aprily 1865.

John Fitzgerald Kennedy

Filoham-pirenena Amerikanina ihany koa no nalaza tamin’ilay teny filamany hoe « Mialoha ny hanontaniana ny tokony hataon’ny firenena aminao dia apetraho aloha ny fanontaniana hoe inona no tokony hataonao ho an’ny amin’ny firenena ? ». Mazava ny tian’ny filoha Kennedy, tamin’ny fandraisany fitondrana tamin’ny taona 1961, araka izany, fa dia mila hampandraisana anjara amin’ny raharaham-pirenena ny olom-pirenena tsy an-kanavaka miainga any ifotony ka hatrany an-tampony. Tsy naharitra ela teo amin’ny fitondrany koa anefa ity filoha ity fa dia maty nisy namono tao Dallas ny 22 novambra 1963.

Thomas Sankara

Ny mikasika ny taty afrika kosa dia nahatsapa ilay revolisionista Thomas Sankara ny taona 1974 fa tsy maha solotena ny vahoaka tao amin’ny fireneny akory ny anarana napetraky ny Frantsay hoe Haute Volta. Niadiany nandra-pialan’ny fofonainy mihitsy ny hahatonga ny anaran’ny fireneny ho lasa hoe Burkina Faso, izay midika hoe « firenen’ireo mahatoky ». Na tafapetraka aza io anarana io dia maty nisy namono ihany koa ny taona 1984 ity revolisionista ity noho ny antso avo tsy an-kiato nataony tamin’ny vahoakany mba ho saropiaro amin’ny fireneny sy handray anjara tamin’ny fampandrosoana an’i Burkina Faso. I Thomas Sankara izay tsar aho tsiahivina ihany fa nianatra tany amin’ny Akademia Miaramila tany Antsirabe.

Richard Ratsimandrava

Nitovitovy tamin’io ihany koa ny zava-nitranga teto Madagasikara tamin’ny raharaha nahafatesan’ny kolonely Richard Ratsimandrava ny 11 febroary 1975. Ity mpitondra fanjakana ity, izay herinandro monja no mba namelan’ireo tsy mataho-tody namono azy hitondra ny tany sy ny firenena. Tsy tantin’ireo tsy mataho-tody ny fahafahan’ireo vahoaka tamin’izany hanaraka ny fandehanan-draharaha tao an-dapa tamin’ny alalan’ilay antsoina hoe « rafitra fokonolona » izay efa novoizin’ity mpitondra fanjakana ity tamin’ny fotoana naha minisitry ny atitany azy tao anatin’ny fitondrana Ramanantsoa ka dia tsy nisy vahaolana hafa hitan’izy ireo ankoatra ny famonoana azy. Mipetraka ary eto ny fanontaniana : fa dia tsy avela hitantana mihitsy ve izany ny filoha manome hasina ny vahoaka sy mahay mihaino ny hetahetan’izy ireo ?


Faralahimatoa     

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT