Sesilany ny toe-javatra manaratsy endrika ny rafi-panjakana sasany sy ny tompon’andraikitra ambony eto amin’ny firenena, raha tsy hilaza afa tsy ny teo anivon’ny minisiteran’ny fitsarana, ny minisiteran’ny vola sy ny tetibola, ny minisiteran’ny raharaham-bahiny,…
Minisitera iankinan’ny fiandrianam-pirenena sy hiankinan’ny fitokisan’ny vahoaka sy ny sehatra iraisam-pirenena ireny, saingy toa tsy misy zava-banona. Mifampiaro amin’ny ratsy noho ny fifankafantarana afera ny mpitondra. Iankinan’ny fiandrianam-pirenena ny sekreteram-panjakana any Etazonia, saingy nesorin’i Donald Trump i Rex Tillerson rehefa tsy mifanaraka amin’ny politikany. Ny eto amintsika kosa toa tsy ny filoham-pirenena no mitondra fa ireo manodidina azy, ka toa manaiky tsy fidiny ny hadisoana sy tsy sahy mandray fanapahan-kevitra hentitra ny filoha satria voageja angamba na voafahan-dalitra. Mandeha ireny ny ampamoaka isan-karazany tao amin’ny fitsarana, toy ny resaka ampamoaka mikasika kolikoly avo lenta 70 000Euros nolazain’i Houcine Arfa. Hatramin’ny sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM) no efa nangataka ny fialan’ny minisitra mba hisian’ny fanadihadiana tsy mitanila, saingy ny nataon’ny fanjakana, dia ny nandefa sy nampiteny ny minisitra sasany sy mpikarama an’ady niaro azy tamin’ny haino aman-jery. Ny fanjakana indray no toa manao fandrahonana hifehezana ny fampahalalam-baovao satria nahomby ihany angamba ny fandresen-dahatra an’i Lafrantsa, ka nilazana fa nanomboka ny 28 febroary teo dia efa mandray an-tanana ny raharaha Houcine Arfa ny fitsarana Frantsay. Saika isan-kerinandro no ahitana toe-javatra hafahafa ao anatin’ity minisitera ity. Misy zavatra maloto sy tsy mazava indray ny tohin’ny raharaha kolikoly tao amin’ny sekoly manofana ho mpitsara na ny ENMG, ka nandorana dosie, hany ka ny Bianco aza tsy nahalala izany na dia efa nisy aza ny fanidiana ny trano nisy ny anton-taratasy teo imason’ny vadintany. Ny resaka miparitaka aza dia hoe misy olona 8 akaiky ny minisitra tamin’ireo mpifaninana, ka hanafenana izany no antony nandorana ireo dosie. Tsy hay na hijoro handiso izany izy na tsia, ary andrasana ny mety ho fanazavana mikasika iny fandorana dosie iny. Tetsy an-daniny, vitavita ho azy teo ny hadisoana goavana momba ny tsenan’asam-panjakana, nalamindamina teo ny teniteny foana mikasika ny datim-pifidianana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.