Mijanona ho litanian’ireo manampahefana Malagasy ny fampandrosoana notanisaina tamin’ny vahoaka nanomboka tamin’ny taona 2009. Miha mahantra sy fadiranovana mantsy ny mponina eto Madagasikara hatramin’io vanim-potoana nambolena korontana teto amin’ny firenena io.
Lasa mpanankarena sy mpanefoefo haingana kosa ireo mpitondra fanjakana nandritra ny tetezamita. Trangan-javatra mbola misongadina amin’izao fitondrana ara-dalàna izao. Ny manampahefana fotsiny rahateo no niova fa mitohy hatramin’izao ny fanapotehana ny firenena sy ny vahoaka Malagasy. Raiki-tapisaka aloha hatreto ny maha tsy refesi-mandidy ny mpitondra fanjakana ka tsy menatra ny manosihosy ny Lalàmpanorenana. Mihevitra ny tenany ho tompon’i Madagasikara ihany koa ka tsy mijery afa-tsy ny tombontsoa manokana sy ireo vahiny mpanambola. Tsy mahagaga loatra angamba izany satria anisan’ny mpikambana feno ao anatin’ilay antsoina hoe «franc-maçonnerie» ny mpitondra Malagasy ankehitriny raha ny lahatsoratra nivoaka tao amin’ny gazety boky «Jeune Afrique» laharana 2876 ny 21 hatramin’ny 27 febroary 2016 teo. Hifamotoana eto Madagasikara moa ity vondrona ahitana mpikambana manerantany ity amin’ny volana mey 2017.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.