Fanindroany izao, tao anatin’ny 2 taona, no nisy vaovao mikasika an’i Madagasikara sy ny vahoaka ao aminy ka ny tany andafy no nahafantatra azy voalohany ary ny mpitondra antsika hatrany anefa no nilaza azy.
Ny iray tany Roma ary ny sabotsy teo iny fanondranana nataon’ny minisitry ny raharaham-bahinintsika, Henry Rabary Njaka tao Frantsa ny sabotsy teo iny. Ny teto an-toerana narirarira efa ho am-bolana sy an-taonany ary na ny praiminisitra ary vao ny zoma teo no nilaza fa tsy mbola nisy daty voafaritra mazava mikasika ny tetiandrom-pifidianana. Ny avy eo anivon’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana koa nanamafy tamin’ny antso an-tariby fa tsy tokony ho anjarana rafitra hafa ankoatra azy ireo no milaza ny daty voalohany. Tsy vitan’ny hoe mamono hasina ny vahoaka ny filingilingirana nataon’ny mpitondra na ny tany Roma na ny tany Frantsa fa sady famingavingana ny antanantohatra misy eto amin’ny firenena ihany koa. Na ny parlemanta aza vao handinika, ity minisitra ity kosa efa fanambarana mihitsy no nataony. Henamaso amin’ireo vahiny ve sa inona no nahazo ity minisitra ity ? Tsy ho very anjara koa ny Frantsay, hoy izy, amin’io.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.