Tonga tany Moscou Renivohitr’i Rosia omaly ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy ny delegasionina maromaro miara-dia aminy.
Voalohany nataon’izy ireo tamin’izany ny fihaonana tamin’ireo Malagasy mpila ravinahitra any an-toerana. Nisy ihany koa ny dinika niarahana tamin’ny solontenam-panjakana Rosianina nandraisana ireo delegasionina avy aty Madagasikara tao amin’ny Hotely Golden Ring, notarihin’ny minisitry ny raharaham-bahiny any an-toerana Sergueï Lavrov. Tsy nisy ny fampitam-baovao ofisialy momba ity dia ity nialoha ny niaingan’ny delegasionina. Anisan’ny niara-dalana aminy any an-toerana ny minisitry ny fambolena sy ny fiompiana Randriarimanana Edmond Harison sy ny minisitry ny harena ankibon’ny tany Ying Vah Zafilahy, ny minisi-panjakana misahana ny tetikasan’ny filoha Benjamina Ramanantsoa, ny mpanolontsain’ny filoha Mbola Rajaonah,... Tombanana avy hatrany fa hivoitra ny fitadiavana famatsiam-bola na mpiara-miombon’antoka mikasika ny fambolena sy ny fiompiana. Havanana amin’ny resaka harena ankibon’ny tany ihany koa ny Rosianina ary be traikefa amin’ny tontolon’ny fitrandrahana solika. Mety hisy ve ny fifanarahana na fitarihana azy ireo hanao fitrandrahana na tetikasa lehibe eto amin’izao ankatoky ny fifidianana izao ? Inona no mety ho tambiny ? Fitangirihana vola daholo aloha no antony. Ny azo antoka anefa dia mahalala tsara sy nanangom-baovao momba ny mpitondra eto Madagasikara ny Rosianina. Tsy mba sasatry ny mitambezo vola etsy sy eroa ny fitondrana Rajaonarimampianina, saingy tsy mba leo na tsy mahazo aza. Nandeha tany Frantsa nahazo fampanantenana poakaty satria tsy azo itokisana. Nandeha tany Sina, toa ny vola sy fotoana no lany … Izao indray any Rosia, ka tsy hay indray izay ho vokany, saingy efa fantapantatra ihany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.