Politique

Mpitondra HVM Manome vahana ireo mpanefoefo vahiny


  • Talata 22 Martsa 2016

Mirona betsaka misarika ireo mpanefoefo vahiny indray ankehitriny ny fitondram-panjakana Malagasy.

 

 Nanaitra rahateo ny nambaran’ny lehiben’ny governemanta taorian’ny dinika nifanaovany tamin’ny tale jeneralin’ny vondrona Dangote Serigne Aramine Mbacké izay nilaza fa tsy fanilikilihana ireo mpandraharaha Malagasy akory ny fisintonana ireo mpanambola vahiny fa natao hanomezana ainga vao ny toekarena sy ireo sehatra marefo eto amin’ny firenena. Ny zava-misy mantsy dia mahatsiaro ho kamboty ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara. Tsy nohenoin’ny fitondrana, ohatra, ny tolo-kevitra tetibolam-panjakana 2016 naroson’ny vondron’ny mpampiasa vola Malagasy. Vonoin’ny fanjakana amin’ireo karazana haba sy hetra isan-tsokajiny ihany koa ny mpandraharaha Malagasy toy ilay «Advanced Cargo Declaration» niteraka resabe farany teo. Maro anefa ireo orinasa Malagasy potika hatramin’ny taona 2009 maniry sy dodona ny hampihodina ny fandraharahan’izy ireo tahaka ny Tiko hamerenana ny lanjan’ny ekonomia Malagasy saingy ambanin-javatra izany ho an’ny mpitondra mahefa.

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT