Politique

Mpitondra HVM Manao fihetsika mpivarotra tanindrazana


  • Talata 05 Aprily 2016

Fotoana izao hanehoan’ny vahoaka indray ny tena fitiavan-tanindrazana sy ny famelomana ny afo tsy maty ka hitandrovana hatrany ny fahaleovantenantsika.

 

 Antom-pisian’ireo fikambanana sy antoko toy ny Jina, Panama sy ny MDRM rahateo ny fanoherana ny fivarotan-tanindrazana fanomezana vahana ny vahiny. Io fomba mamohehatra io moa no mbola novoizina tamin’ny taona 2009 nanonganana ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc. Midika ho famadihana ny tolon’ny tia tanindrazana ihany koa ny fihetsiky ny fitondrana mijoro nandrara ny adidy fahatsiarovana ireo maherifo Malagasy lavo tamin’ny tolom-panavotana ny taona 1947 ny 29 martsa 2016 teo, hoy i Gaby Vakiniadiana. Manamafy izany ny fivoizan’ny mpitondra mafy ny fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny Frankofonia sy ny tsy fahasahiany mitaky ireo Nosy Malagasy. Ny tanindrazana miaraka amin’ny kolontsaina sy ny vakoka  anefa no maha firenena ny firenena, araka ny fanamarihan’ny sekretera jeneralin’ny Vahoaka Miray. Harena lehibe kosa ny mponina mivelona ao aminy. Iraka notanterahan’ny voanjo teto ny fanapotehana ireo soatoavina tena Malagasy ka notsindriany tamin’ireo fomba amam-panao sy kolontsaina sadasada ankehitriny.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT