Hifarana afaka roa volana latsaka kely ny taona 2017. Nitovy ny tamin’ny herintaona sy ny roa taona lasa ihany izy raha momba ny fitantanana ny firenena satria tsy nisy firy ny zava-bita nisongadina.
Kabary sy fampanantenana no betsaka avy amin’ny fitondrana HVM, fa ny fiainan’ny olona amin’ny andavanandro dia lafo vidy ny vary, siramamy, menaka, ny legioma. Ny akoho amam-borona sy ny hena dia efa sakafo tsy fihinan’ny Malagasy matetika. Na eo aza ny karazana « opération » ataon’ny mpitandro ny filaminana, nitombo ny asan-jiolahy ary manana fitaovam-piadiana tena mahery vaika sady moderna ny mpanao ratsy ankehitriny. Maro ny Malagasy no misafidy ny matory any an-tsaha na any anaty ala amina faritra maro satria manafika tanàna ny daholo avy eo mamono olona sy mandoro trano avy hatrany. Toa lasa resabe fotsiny sisa ny ady amin’ny kolikoly, tsy nisy tohiny intsony ireo afera mafampana toy ny raharaha Claudine Razaimamonjy, ny trafikana boaderozy sy volamena. Hita taratra ny fifandrafiana eo amin’ny samy manampahefana ary ny tena loza dia ny ady mangatsiaka misy eo amin’ny samy mpitandro ny filaminana toy ny polisy sy zandary. Nisy fotoana niseho masoandro ihany koa ny tsy fifankahazoana teo amin’ny zandary sy ny mpiambina fonja, indrindra fa tamin’ny fotoana nisiana gadra nitsoaka ny fonjan’Ambatondrazaka sy Tsiafahy. An-gazety ny fifamaliana eo amin’izy ireo ary hitam-poko hitam-pirenena. Nahafahana namantatra ihany koa ny fisian’ny valanaretina pesta teo fa nisy ny minisitra niasa sy nihetsiketsika fa teo koa ireo nipetraka na nanao zavatra hafa mihitsy. Lasa resabe fotsiny ilay « gouvernement de combat » hirahirain’ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly fa tsy tena hita taratra amin’ny asa. Ity farany moa dia efa herintaona izao no mahoraka be fa hosoloina. Raha ny resaka mandeha any anaty etamazaoro politika any dia amin’ny volana desambra izao no mety hisaorana ingahy praiminisitra. Iny efa hita iny ny sangodimpanina politika teny amin’ny antenimierandoholona, nosoloina olona tena atokisana ny filoha Honoré Rakotomanana. Mazava ny resaka eto fa mifampiahiahy ny samy mpitondra, tsy mirindra ny asa satria samy maka ho azy sy samy miaro ny sezany. Tsy hita taratra mazava ny asa mivaingana vita satria variana amin’ny kajikajy hafa ny mpitondra. Ka inona moa no azo antenaina raha ny samy ny lehibe ao an-dapa aza tsy mifampatoky intsony e ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.