Politique

Mpitondra foibe Sakana ho an’ny asa fampandrosoana


  • Alakamisy 28 Septambra 2017

Ny mpitondra fanjakana foibe no sakana hoan’ny fampandrosoana eto Madagasikara ankehitriny, hoy ny TIM Faritra Atsimo Andrefana tarihan’ny mpandrindra nasionaliny, Atoa Sazalahy Tsianihy.

Lasa « pompier » na mpamono afo fotsiny io mpitondra foibe io  fa tsy manana soson-kevitra entina hiadiana sy hialana amin’izao sakantsakana misy izaon hoy izy ireo, hirosoana amin’ny fampandrosoana sy hamongorona ny tsy fandriampahalemana. Fa inona tokoa moa no maika amin’ny mpitondra ankehitriny ? Révison constitutionnelle no maika ary laharam-pahamehana ho azy ireo.  Hanova inona amin’ny fiainam-pirenena anefa izany laharam-pahamehana hoan-dry zareo izany ? hoy ity antoko TIM any Toliara ity. Hambarao ny mpiara-belona fa tsy misy fampandrosoana azo antenaina amin’io resaka io sy ny fandriampahalemana azo antenaina ihany koa ? Isaorana aloha ny mpitandron’ny filaminana mitandro izany filaminanana izany eto an-tampontanànan’i Toliara (Félicitation). Ho sahirana ihany anefa izy ireo atsy ho atsy satria tsy manana vahaolana amin’ity resaka ity ny fiondrana foibe amin’izao fotoana izao fa mamono afo fotsiny araka ny voalaza tery ambony. Tao anatin’ny 15 andro izao dia jiolahy 10 no lavon’ny mpitandron’ny filaminana teto Toliara ka hanambara etoana, ho y ny TIM Faritra Atsimo Andrefana fa misy ny ezaka ataon’ny mpitandro ny filaminana miara-miasa amin’ny fokonolona la nahitana vokany na dia kely aza  nefa tsy tokony hiandry ny fitondrana foibe izay mampiandry an’I Paoly hatrany amin’ity resaka ity.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT