Politique

Mpitondra FAT Tokony handinin-tena ihany !


  • Talata 23 Aogositra 2011

Na dia mahazo aina amin’ny fihazohazoan’ny sehatra iraisam-pirenena hanapa-kevitra mazava momba ny raharaha Madagasikara aza ny FAT dia tokony efa handini-tena lalina ihany manoloana ny zava-misy sy ny fimenomenoman’ny Vahoaka satria tsy tokony ho hadinoina fa avy amin’ny Vahoaka ny fahefana.

 . Raha nisy ny mpitondra nahazo avara-patana tamin’ny mpamatsy vola avy any ivelany sy ny sehatra iraisam-pirenena dia voalohany amin’izany i Marc Ravalomanana, ary azo porofoana tamin’ny nahafahan’ny fitondrana notarihany nahatratra ny «point d’achèvement» ka naha voafafa ny trosa nisavovona 5 miliara dolara. Avy eo izy mbola nahazo fanampiana ara-bola aman-jatony tapitrisa dolara indray. Tsy ny fankatoavana avy any ivelany loatra anefa no hoe inona, fa ny filaminana sy fitoniana eto anatiny. Raha mbola mahatsiaro tena ho mihafy sy mijaly ary hiharan’ny tsindry hazolena sy fanararaotany ny vahoaka na dia ny ampahany kely fotsiny ihany aza, ka tsy mahita vahaolana maharitra amin’io ny mpitondra dia mipoitra foana ny savorovoro sy ny korontana, ary mihena isan’andro ny fankatoavan’olona ilay fitondrana.

Na misy na tsy misy ambadika politika ireo fitakiana etsy sy eroa dia tokony mahita hevitra hamahana ny olana ny mpitondra tetezamita, fa tsy sanatria handefasana miaramila mirongo fitaovam-piadiana sy mifaly manipy baomba mandatsa-dranomaso foana izay mitokona sy midina an-dalambe, fa matoa ny olona manakiana sy sahy tahaka ireny dia ao raha ! Tena mahagaga ny mbola mampiziriziry ny fitondrana tetezamita, raha ny fahitan’ny raim-pianakaviana iray tafaresaka taminay azy, kanefa hita sy re isan’andro izao ny fahasosoran’ny olona noho ny tsy mety ataon’ny FAT.

Mametra-panontaniana moa izy raha mba mandini-tena sy mihaino ny hafa ihany ireto mpitondra ireto na manam-pitsofina tsotra izao dia manao izay eritreretiny fa mety fotsiny. Tranga mety hivadika zava-doza eto amin’ny firenena ny tsy fahafalian’ireo mpandraharaha amin’ny resaka andramena any amin’ny faritr’i SAVA noho ny fanapahan-kevitry ny FAT ny hanangona sy hivarotra ireo tahirina andramena rehetra manerana ny Nosy, ary raha manao ny fomba fanaony fa tsy mandinika tsara an’io ny FAT, dia mety ho ratsy ho azy ny ho tohin’io raharaha io, hoy ihany ity raim-pianakaviana ity. Midika izany rehetra izany fa fotoan’ny tomban’ezaka sy fandinihan-tena izao ho an’ny FAT fa tena maro be ny zavatra tsy mandeha araka ny tokony ho izy eto !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT