Telo taona izao no voasazy sy naato tamin'ireo fikambanana iraisam-pirenena rehetra misy azy i Madagasikara, tahaka ny Firenena Mikambana (ONU), ny Vondrona Afrikanina (UA), ny fikambanamben'ny tany mampiasa ny teny Frantsay (OIF), ny SADC, ny vaomieran'ny ranomasimbe indianina (COI).
Mazava ho azy moa fa tapaka koa ny famatsiam-bola avy amin'ny antsoina hoe Institutions de Bretton Woods dia ny Banky iraisam-pirenena sy ny Tahirimbola iraisam-pirenena izany ary foana ho azy manaraka izay ireo fanampiana sy famatsiana ara-bola goavana avy amin'ireo firenena rehetra mifandray ara-diplaomatika amin’i Madagasikara. Roa taona tamin’ny 19 martsa 2012 koa izao no nivoaka ny lisitr'ireo mpitondra tao amin'ny FAT, miisa 109, voasazy ary tsy mahazo mivoaka an'i Madagasikara na miditra any amina firenena vahiny maro ary tsy voaasa amin’ny fivoriana iraisam-pirenena, noho izy ireo voasokajy ho mpanongam-panjakana sy nanosihosy ny demokrasia ary tsy nanaja ny zon'olombelona. Mbola firenena voasokajy ao anatin'ny faritra mena i Madagasikara amin'ny lafiny rehetra, ka izay no tsy mbola tena hahatongavan'ireo mpizahatany sy mpandraharaha vahiny hampiasa vola eto amintsika.
Mihitsoka hatramin'izao ny fampihodinana ilay Hotely lehibe kintana 5 eny Ivato, miato avokoa ny tetikasa fanamboarana fotodrafitrasa goavana fa asa madinika no vitan'ny vola kely am-pelatanan'ny fanjakana. Tsy misy mety mividy ilay fiaramanidina “Air Force One 2”, satria olona sy mpitondra tsy atokisana no mivarotra azy. Tsy manaiky ary tsy hanaiky ny hanamarinana ny fahefan'ny mpanongam-panjakana izany mihitsy ny sehatra iraisam-pirenena, na dia misy ihany aza ny firenena vahiny, toy ny Frantsay, Tiorka, Maorisiana, Sinoa, manohana any ambadibadika any. Dia ireny nitonatonana tany Addis Abeba ireny ny solontenan’ny FAT tamin’ny 2011. Niesona koa ny iraka nalefa tany Genève tamin’ny 2010 raha tonga mba handahatra sy hanaporofo fa manaja ny zon’olombelona. Milisy ny FIS, hoy ny tany. Dia nohamafisin’ny ambasadaoro frantsay Jean-Marc Châtaigner tamin’ny 14 jolay 2010, fa tokony horavaina ny FIS, saingy tsy nanao izany mihitsy ny FAT mandraka ity ny anio.
Tsy mahagaga raha tsy mbola nofoanan’ny CPS (Filankevi-pilaminana sy fiarovana) eo anivon’ny Vondrona Afrikanina, ny sazin’izy 109 ireo, eny fa na any am-ponja aza ny sasany amin’ireo ankehitriny. Ankehitriny anefa dia tahaka ny mahazendana ihany ny mahita ireo mpitondra FAT miara-dia amin'i Andry Rajoelina, izay mbola voasazy, ka manome lesona ny rehetra amin'ny resaka famotsoran-keloka, izay halefa hodinihina eny amin’ny Parlemanta manomboka anio, ary tena mihantsy ady mihitsy amin'ny sehatra iraisam-pirenena, amin'ny alalan'ny tsy fanajana sy tsy fampiharana tanteraka ny tondrozotra. Moa va tsy toy ny mamo miantso polisy ! Mipetraka eto ny fanontaniana hoe : mandrapahoviana no hitsambiki-mikipy tahaka izany ireo mpitondra tsy mieritreritra ny tena mahasoa ny Malagasy ireo ? Dia sanatria sangodim-panina politika tsy misy fiafarany ve no iainana eto ka raha ela ny ela, mety ho tonga amin'ny tanjona niriany ihany ny mpanjanatany fahiny fa dia hifamono sy hifamotika eto ny samy Malagasy, ary mora ny manjanaka amin'ny endriny vaovao an'ity firenena ity ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.