Politique

Mpitondra FAT Lasa mangingiana any ivelany


  • Alatsinainy 22 Aogositra 2011

Noho ny fisian’ilay fipoahan-javatra teny amin’ny tranony ny zoma alina teo vao fantatra fa tsy eto an-toerana intsony ny minisitry ny Fitsarana Razanamahasoa Christine.

 Vitsy anefa no mahalala izay tsy maha eto an-toerana azy izao. Tsy fantatra izay antondian’ity minisitra ity any ivelany. Araka ny loharanom-baovao dia any Frantsa no nalehany. Toa mahazatra ny FAT no miala mangingiana eto an-tanindrazana. Isan’ny nanao ohatra tamin’izany ny filohan’ny FAT. Tonga teto an-tanindrazana izy vao nanazava fa nizaha ny fahasalamany no anton-diany tany. Manomboka tamin’iny dian’i Andry Rajoelina iny dia tsy mananjo hahalala izay ataon’ny mpitondra azy intsony ny vahoaka malagasy. Tsy fantatra hoe mitsoaka ady ve sa ahoana ? Isan’ireo ny praiminisitra izay efa nanainga andro vitsy lasa izay nihazo an’i Frantsa. Hatramin’izao tsy misy fanazavana na ny kely aza avy amin’ny seraseran’i Mahazoarivo. Sao mba misy zavatra hafahafaha miainga aza any ambadika any ? Ho hita eo ny tohiny.

 

Mohamed

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT