Politique

Mpitondra fanjakana Tokony hanaiky ny fanehoan-kevitra malalaka


  • Alarobia 30 Aogositra 2017

Voasoratra mazava ao anatin’ny Lalàmpanorenana Malagasy andininy faha-10 ny zo miaraka amin’ny fiarovana ny olom-pirenena maneho hevitra malalaka.

Hamafisin’ny fifanarahana iraisampirenena nosoniavin’i Madagasikara rahateo io fahafahana mivory sy fahalalahana mamoaka hevitra tsy misy teritery io, hoy ny mpisolovava Willy Razafinjatovo. Nandika izany avokoa moa ireo mpitondra nifandimby teto afa-tsy ny fitondrana notarihan’ny profesora Zafy Albert. Mihevitra ny tenany ho tsy refesi-mandidy amin’ny fahefana eo am-pelatanany na koa ho lova manokana azo avy amin’ny ray aman-dreny angamba izy ireo, araka ny fanazavany. Tsy mahatanty ireo tsikera avy amin’ireo fikambanana na antoko mpanohitra avokoa ireo filoham-panjakana nitantana ny firenena ary mibahan-toerana hatrany ny valifaty eo amin’ireo mpanao politika Malagasy. Tsy voatery ho ratsy anefa ny fanehoan-kevitra avy amin’ireo tsy mitovy fomba fijery amin’ny mpitondra. Zava-dehibe rahateo ny fihainoana ao anatin’ny fifanajana ireo torohevitra samihafa mivoaka hanitsiana ny tsy mety. Tsy mendrika ny hisahana andraikitra amin’ny fitantanana firenena mihitsy moa ireo olom-panjakana manitsakitsaka ny fahalalahana miteny sy milaza ny zava-misy eo anivon’ny fiarahamonina, araka ny fanamarihan’i maître Olala.

Nangonin-dRamano F.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT