Politique

Mpitondra fanjakana Mpibizina ny 90%


  • Sabotsy 20 Febroary 2016

Tsy mandeha amin’ny laoniny intsony ny fiainam-pirenena eto Madagasikara. Izay no re eny ambavan’ny maro, na aiza na aiza toerana aleha.

Latsaka an-katerena tanteraka mantsy ny fiarahamonina Malagasy ary efa miaina ao anatin’ny fahantrana lalim-paka ny vahoaka, hoy ny «Amicale des Anciens Conseillers Supérieurs et Sénateurs de Madagascar». Mitavozavoza sy vao miana-draharaha eo amin’ny sehatry ny fitantanam-pirenena ny 90%-n’ny mpikambana eo anivon’ny fahefana mpanatanteraka saingy mpibizina avokoa. Mila manapa-kevitra ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina mijery ny tombontsoan’ny Malagasy 22 tapitrisa mahery tena sahirana sy mangirifiry na manohy ny fiaraha-miasany amin’ireo olona akaiky mpanaratsy endrika, mpamitaka sy mpanipy hoditr’akondro azy, hoy ny fiaraha-mientan’ireo mpikambana loholona teo aloha. Safidy tsy azo andrasana ela intsony satria ahiana ny fitroatran’ny mpiray tanindrazana raha tsy misy fandraisana andraikitra haingana avy amin’ny filoham-pirenena nametrahan’ny vahoaka ny fitokisany. Hanohy ny fanangonan-tsonia fitakiana ny famerenana ireo «Nosy Malagasy» bodoin’ny frantsay any amin’ny faritra ihany koa moa ny ACS mialoha ny handefasana izany any amin’ny Firenena Mikambana.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT