Politique

Mpitondra fanjakana Mila manompo vahoaka


  • Talata 05 Aprily 2016

Anisan’ny andraikitry ny loholona ny mijery ny zava-misy eny anivon’ny fiarahamonina miaraka amin’ny fanaraha-maso ny asan’ny fahefana mpanatanteraka

 

, hoy ny filohan’ny Antenimierandoholona Rakotomanana Honoré. Antony nahatonga azy niantso ny teo anivon’ny minisiteran’ny Asa Vaventy sy ny Fanajariana ny tany mikasika ny faharatsian’ny lalana eny Ambohipo sy Andohan’i Mandroseza ny faran’ny herinandro lasa teo. Laharam-pahamehana andrasan’ity filohan’ny andrimpanjakana mpanao lalàna ity amin’ny governemanta mandritra ny fivoriana ara-potoana voalohany amin’ny volana mey, ohatra, ny fampidirana ao anatin’ny fandaharam-potoana ny volavolan-dalàna mifehy ny serasera sy ny fampahalalam-baovao miaraka amin’ny volavolan-dalàna mikasika ny fampihavanam-pirenena, araka ny fanampim-panazavany. Manana tamberina andraikitra amin’ny vahoaka avokoa mantsy ireo mpitondra fanjakana na olom-boafidy izy na olom-boatendry. «Tamberina andraikitro manokana amin’ny filoham-pirenena ny tsy fivadiham-pitokisana sy ny tsy famadihana palitao». Fepetra goavana tsy maintsy mifanaraka amin’izay kosa anefa ny fanatontosana ny asa ao anatin’ny fahamarinana sy ny mangarahara. Tokony tsy hitondra firenena rahateo ireo sokajin’olona tsy manome lanja ny fanompoana ny mpiray tanindrazana aminy, hoy ny profesora Rakotomanana Honoré.

Ramano F.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT