Vao tsy ela akory izay ny filoham-pirenena, Hery Rajaonarimampianina, no nanambara fa ireo tsy mahomby no hesorina amin’ny toerany ary nangatahany mihitsy moa
hametra-pialana mialoha ireo izay mahatsapa tena. Hatairana anefa ny an’ny rehetra, indrindra ireo izay efa niandrandra iny fanovana governemanta tamin’ny zoma iny fa toa ireo efa teo, toy ny minisitry ny tontolo iainana teo aloha, Beboarimisa Ralava sy ny efa nahabe tsikera lavitra, toy ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny kaompania ana habakabaka Air Madagasikara teo aloha, Henry Rabary Njaka, indray no naverina ao anaty fitondrana. Ity farany izay efa voakian’ny mpanara-baovao mafy tamin’ny fotoan’androny noho ny fanjavozavoan’ny antony nanaovana ilay fifanarahana nataon’ny Air Mad tamina kaompaniam-pitanterana vahiny 1 nividianana ATR izay nitentina hatrany amin’ny 77 tapitrisa dolara, izay tsy fantatra mazava ihany koa ny nahitana ny loharanom-bolany. Ny tena nahagaga aza dia ny minisitera izay nolazaina fa nahitana fahombiazana indrindra mihitsy no nomena ity tompon’andrikitry ny Air Mad teo aloha ity ankehitriny ary nesorina tsy ho mpikamban’ny governemanta hatramin’ny minisitra tao farany.
Hiantona ny famatsiam-bola
Ahiana mbola hiantona ary tsy ho tonga intsony aza angamba raha izao fitrangany izao ilay 10 tapitrisa dolara nampanantenain’ireo mpamatsy vola tany Parisy ny volana desambra 2016 satria dia mbola maro ny raharaha tsy mazava, toy ny afera Razaimamonjy sy ny fomba nahafatesan’ireo olon’ny TIM ary ny raharaha Antsakabary. Tsy nahomby ny “Gouvernement de combat” notarihin’ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier kanefa dia mbola notazonina ihany ny mpitarika azy izay efa ahiana mafy ihany koa fa tsy ho afa-maina amin’ny raharaha Claudinne Razaimamonjy. Manoloana izany dia miharihary fa voailika sy tsy ao anatin’ny raharaham-pirenena intsony ny vahoaka Malagasy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.