Raha tafaresaka tamin’ireo mpivarotra volamena vitsivitsy izahay, dia nahafantatra fa mpitondra ambony tahaka ny minisitra na tale jeneraly na fianakavian’ny mpitondra no tena mpividy volamena matanjaka amin’izao fotoana.
Misy mpividy tena mampiakatra vidiny, hoy izy ireo ary matetika dia manodidina ny iray miliara ariary no indray vidiany rehefa mividy izy. Nanamafy moa ity mpivarotra ity fa mahalala izany afera izany avokoa ireo mpibizina volamena rehetra eto an-tanàna fa tsy misy sahy miteny fotsiny noho ny tahotra an-drafanjakana. Tsy volamena atao firavaka fotsiny na atao haingon-trano izany fa mety mbola haodina ho bizna sy aondrana any ivelany. Efa misimisy ihany ireo volamena tratra teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, misy koa anefa no tsy tratra. Misy Ramatoa vadina olona ambony voatonontonona matetika amin’io trafikana volamena eny Ivato io ary voalaza fa mandefa entana isan-kerinandro mihitsy aza. Fantatry ny maro tsara fa mazoto mandeha any ivelany io ramatoa iray io. Matetika tratra manondrana volamena eny Ivato ihany koa ny teratany Karana. Midika izany fa dia mitobaka ny vola ho an’ireo mpitondra, mba manontany tena hoe aiza ny fanadihadiana manoloana izany gaboraraka amina miliara izany. Sa ve ny lalàna eto amintsika natao ho an’ny sahirana ihany fa tsy ho an’ny mpitondra ? Teo am-pamaranana moa dia nohamafisin’ity mpivarotra ity fa tena betsaka ny volamena eto amintsika fa vitsy dia vitsy ny Malagasy no mbola mivelona aminy. Inoany fa io sehatra iray io dia ho anisan’ny mety hoe vahaolana amin’ny fahantran’ny firenena raha toa ka tsara tantana sy mazava tsara ny lalàna mifehy azy. Tombanana ho 2 taonina na 2 000 kg isan-taona ny volamena mivoaka an-tsokosoko an’i Madagasikara , izany hoe 38 kg isan-kerinandro.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.