Politique

Mpitolona Antsirabe Hivoaka ny kianja ?


  • Zoma 06 Janoary 2012

Hafanafana indray ny hetsika politika ao Antsirabe amin’ity faran’ny herinandro ity.

 Fantatra mantsy fa hikasa hivoaka ny kianja ary mety hidina an-dalambe tanteraka indray ireo vahoaka mpitaky ny ara-dalàna sy mitaky ny fampiharana ny tondrozotra, indrindra fa ny fampiharana ilay andininy faha-20 amin’izao fotoana izao ka hifamotoana ivelan’ny kianjan’ny ara-dalàna izy ireo rahampitso sabotsy 07 janoary. Raha ny voalazan’izy ireo dia diso fanantenana tanteraka amin’ny fampiharana ny tondrozotra ireto mpitolona ireto ka nanapa-kevitra fa hiditra amina dingana ambonimbony kokoa. Anisan’ny nambaran’ireo solontenan’ny mpitolona ny filazana fa dia ny fananganana ireo rafitry ny tetezamita toy ny CENI indray no resaka tao amin’ny filankevitry ny Governemanta fa tsy nisy resaka ny fodian’ny filoha Ravalomanana sy ny famoahana ireo gadra politika ary ny fanokafana ireo haino aman-jery izay notakiana hatramin’izay, no hanaovana izao hetsika goavana izao. Hatreto aloha dia tsy voafaritra ny toerana hanaovana ity hetsika ity fa ny azo antoka dia ivelan’ny kianjan’ny Magro no hifamotoanan’ireo mpitolona ireo.

Raha tsiahivina dia ny sabotsy 30 desambra lasa teo no nilazan’ireo mpitolona mpitaky ny fampiharana ny tondrozotra fa hanova ny paika hanafainganana ity tolona ity izy ireo amin’izao taona vaovao izao satria dia mahatsapa izy ireo fa mitarazoka ny fampiharana ny tondrozotra ary efa mijaly ny vahoaka ary tratry ny kendaroroka avokoa ny sehatra rehetra ka miha maty am-pitoerana ny vahoaka fa ny mpitondra miha velona hatrany. Fantatra moa fa hanatevina izao hetsika izao ireo vondrona rehetra ao amin’ny Magro toy ny Hetsiky ny tanora, ny mpitsoka afo, ny vahoaka mitaky ny fampiharana ny tondrozotra, sy ireo maro hafa. Tsy manohitra ny hetsika ao amin’ny Magro moa ireto mpitolona ireto fa mifameno fa kosa maika ny hampodiana ny filoha Ravalomanana sy ny famoahana ireo gadra politika sy ny hisian’ny tetezamita tena iraisana marina hirosoana amin’ny fifidianana mangarahara eto Madagasikara faran’izay haingana. Dia amin’ny sabotsy indray izany mifakahita ao Antsirabe.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT