Politique

Mpitolon’ny taona 1972 “Tsy maintsy mijoro manohitra ny tsy mety isika”


  • Talata 31 Mey 2016

Tsy mety intsony izao zava-misy eto amin’ny firenena izao fa tsy maintsy mijoro ny rehetra, hoy ny dokotera Randriamiarisoa Joseph anisan’ireo mpikambana ao anatin’ny komitin’ny mpitolona tamin’ny taona 1972.

 

Nihaona sy nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny tranompokonolona Analakely izy ireo omaly ka anisan’ny navoitrany tao ny fitovian’ny zavatra niainan’ny mpianatra tamin’izany fotoana sy ny hiainantsika ankehitriny. Tsaroanay ho very momoka  fotsiny  ny tolona nataonay ka tsy maintsy hihetsika izahay, hoy izy. Hisantaran’izy ireo ny hetsika ny fanaovana kaonferansa lehibe eny amin’ny anjerimanontolo mba hahalalan’ireo  tanora mpianatra  amin’izao fotoana ny  tantara nisy tamin’izany fotoana sy ny antony niteraka ny tolona. Mbola betsaka amin’ireo mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo  mantsy no tsy mahalala akory izany, hambom-po izay  tokony hananan’ny rehetra tokony hotazonina mandraka ankehitriny. Ankoatra izay,  hampita hevitra mikasika ilay toe-tsaina nananan’izy ireo tamin’ny taona 1972 ihany koa izy ireo toy ny fampiharana ilay  resaka fampianarana tsy miangatra, ny fanapariaham-pahefana tena izy, ny fanagasiana ary ny hasin’ny firenena Malagasy izay nomarihin’izy ireo hatrany fa efa tsy ao amin’ny toerana tokony hisy azy intsony.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT