Ataon-dRajaonarimampianina sy ny HVM fitaovana hamotehana an’i Marc Ravalomanana ny mpitandro ny filaminana. Na aiza na aiza alehan’ity farany, misy hatrany ny gafy sy ny antsojay ary tena niha mafy mihitsy tamin’ity herinandro ity. Nopotehina hatramin’ny fitaovana fanamafisam-peo tao Tolagnaro ny alatsinainy teo.
Natao tsara ambina toy ireny gadra ireny, ka tsy navela nifampiresaka tamin’ny vahoakan’Ambovombe Androy ny talata lasa teo. Filan-kisa sy filam-baniny tsotr’izao fa tsy misy antony mafonja sy porofon-kevitra mazava hanakanana azy tsy hihaona amin’ny Malagasy. Tsy vahoaka an’aliny maro, ka hoe atahorana fa dia baikon’ny halozana sy ny fialonana tsotr’izao ny fanjakana HVM satria tsy mahatoky ny valera. Olona tsy handeha hanani-dapa na hanongam-panjakana fa hihaona sy hifampiresaka amin’ny mpiray tanindrazana aminy, saingy don-tandroka sy baiko midina no homena ny mpitandro ny filaminana hoe: “sakano sy gafio”, ary rehefa kelikely angamba dia hoe: “sambory sy gadrao”. Izay izany no antony nanendrena jeneraly be dia be hanome baiko sy hanery ny aty ambany hanao ramatahora. Misy amin’ireny mpitandro ny filaminana ireny aza moa no vaky vava mihitsy hoe: “baiko ny anay” ilay manakana sy migafy, ka tsy maintsy tanterahina. Mandra-pahoviana izy ireo no hoterena hangeja sy hisakana ny fahalalahan’ny mpiray tanindrazana aminy tahaka izao ? Efa manomboka maro no tofoka sy leo ny fanaovana azy ho fitaovana politika, izay tsy eken’ny saina aman’eritreriny. Tsy ny aty ambany mpandray baiko ihany io fa hatrany amin’ny manamboninahitra ambony maro no tofoka sy tsy mankasitraka izao fanaovana tsinontsinona ny mpitandro ny filaminana izao, saingy mifanaja sy mitandro ny hasin’ny tafika aloha. Asa atsy ho atsy na mbola hahomby ihany io karazana fanerena azy ireo hamotika ny olona tsy manakorontana na manohintohina ny fiandrianam-panjakana io akory. Ny mpitondra mihitsy no efa mangozohozon’ny tsy fahatokisan-tena sy matahotra ny ho very seza. Manaotao foana satria vao mainka hanaratsy endrika sy handetika azy ireo any anaty lavaka mangitsokitsoky ny fankahalam-bahoaka ny ataony, ary mampiakatra hatrany ny laza sy ny fanohanan’ny olona an’i Marc Ravalomanana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.