Niantso ireo sendikan’ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana mba hieritreritra ihany ny voka-dratsin’ny fitokonana nataon’izy ireo efa ho roa volana izao ny tonia mpampanoa lalŕna Sylvestre Razafimahefa.
Nambarany fa efa ny fitakiana 3 amin’ny 4 nataon’ireo mpiraki-draharaha no azo antoka fa hotanterahana, anisan’izany ny fanampiana 50 000 ariary ny tambin-karama raisin’izy ireo isam-bolana, ny famerenana ny fandraisana Greffier en chef ka 42 ny amin’ity taona ity ka amin’ny alalan’ny fifaninanana no hanaovana izany. Ireo mpiraki-draharaha any Ambatolampy sy Antsirabe sisa no mitokona raha ny fanazavan’ny tonia mpampanoa lalàna. An-kilan’izay anefa dia tsy mbola nisy ny fanambarana ofisialy avy amin’ny sendikan’ny mpiraki-draharaha eto Madagasikara fa hoe hampiato tanteraka ny fitokonana ka hiverina hiasa izy ireo.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.