Politique

Mpikamban’ny governemanta Mampandany ny kandidan’ny IRD…


  • Alatsinainy 08 Aprily 2019

Miharihary ny fifangaroan’ny fitantanan-draharaham-panjakana amin’ny fiandaniana politika satria tsikaritra ho miandany amin’ny kandidan’ny IRD (Isika rehetra miaraka amin’I Andry Rajoelina) ny mpikambana ao anaty governemanta sasany.

 

 Ny resaka fandrarana ny propagandy alohan’ny fotoana noresahin’ny HCC moa, dia kandida maro no tsy manaja an’io.

 Efa nametra-pialana ny minisitry ny mponina teo aloha Irmah Naharimamy, saingy mbola nijapy ny tetikasam-panjakana asa tanamaro na HIMO tany Toamasina ka niray latabatra tamin’ny minisitry ny atitany Razafimahefa Tianarivelo. Ny faran’ny herinandro teo, dia ny minisitry ny fanatanjahantena Tinoka Roberto indray no mandray anjara fitenenana ao anatin’ny famoriam-bahoaka nataon’ity minisitry ny mponina teo aloha ity, kanefa miharihary ny afisy lehibe maneho ny sarin’ity kandida ity sy ny soratra Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina. Ny herinandro teo ihany koa no nahitana ny kandida depiote eny Atsimondrano Andry Ratsivahiny mijoro miaraka amin’ny minisitry ny fanatanjahantena mandritra ny fametrahana vatofototra kianja vao hatao. Ny kandida Jerry Marcoss ihany koa, dia hita niray latabatra tamin’ny praiminisitra tany Antalaha nandritra ny diany tany an-toerana, izay niresahana ny resaka fametrahana milina mpamatsy jiro sy fotodrafitrasa,…  Ny fahitan’ny besinimaro ny zava-misy dia miandany amin’ny kandida mitondra ny anaran’ny filoha ny mpikamban’ny governemanta sasany. Raha halalinina io, voahitsakitsaka tanteraka ny voalazan’ny andininy faha-39 amin’ny lalàmpanorenana, izay manefa fa iantohan’ny fanjakana ny tsy fitanilan’ny fitantanan-draharaham-panjakana, tafika, ny fampianarana, ny fitsarana,… Tsy vao izao io fa efa hita taratra tany amin’ny fifidianana filoha. Hentitra ny fanapahana sy ny fepetra napetraky ny HCC tamin’ny volana aogositra 2018 fa tsy mahazo mandray anjara amin’ny fampielezan-kevitra ny minisitra sy ny mpikambana eo anivon’ny governemanta. Ny andininy faha-8 amin’ny didim-panjakana 2018-640 : « Ny olom-panjakana ambony voatendry hisahana andraikitra tokony ho notazonin’olom-boafidy dia tsy mahazo mandray anjara amin’ny fampielezan-kevitra amin’ny anaran’ny kandidà iray na lisitry ny kandidà na antoko na vondron’antoko politika na firehan-kevitra iray ».

 

Marigny A. sy Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT