Nampiaka-peo ny mpanao politika mpikambana ao amin’ny antoko TGV vitsivitsy tafaresaka tamin’ny mpanao gazety omaly taorian’ny fanambaran’Atoa Hajo Andrianainarivelo nilaza fa ho anisan’ireo ho kandidŕ amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena ho avy izy.
Voaporofo amin’ity tranga ity, hoy izy ireo, fa misy ny mpisababaka (fa efa zatra miaraka amin’ny antoko mpanao ity resaka ity) ka sahy mamadika tsotra izao ny tolona niaraha-nanao. Tena fanaovana tsipa-doha laka-nitana ara-bakiteny izao nataon’ity minisitra ity izao, hoy ireto mpanao politika TGV ireto satria ity antoko misy anay ity indrindra no nametraka azy io teo amin’io toerany io. « Naninona izy raha mba nifanaja tamin’ny filoha mpitari-tolona ka niandry ny zaikaben’ny antoko hanambarana izay ho kandidà ofisialy izay efa ao andro sisa hisaina hanatanterahana azy ? », hoy ireto mpanao politika ireto. Tena tsy nahandry ny andro zoma araka ny fomba fiteny ity namana . Ialan-tsiny raha lazaina fa manao fihetsika jodasy ity, hoy izy ireo. Tsodrano hafahafa moa no nataon’ireto mpanao politika vitsivitsy ireto tamin’ny filazana hoe : « mandehana mahazo fa izahay tsy hanozona ».
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.