Politique

Mpikambana Kongresy TIM “Hiala rehefa tsy mody Ravalomanana”


  • Alatsinainy 05 Desambra 2011

Nafana tanteraka ny fanehoan-kevitra tao amin’ny kianjan’ny Magro Antsirabe ny sabotsy 03 desambra lasa teo, indrindra taorian’ny nahavoatendry ireo mpikambana teo anivon’ny Parlemantan’ny tetezamita farany teo.

 Mpikambana telo monja tamin’ireo voatendry avy amin’ny ankolafy Ravalomanana tao Vakinankaratra moa no sahy niatrika ny vahoakan’Antsirabe io sabotsy io dia ny Depiote José sy ny Depiote Ernest ary ny Senatera Lanto Rabenatoandro. Fanakianana ranofotsiny moa no azon’ireto parlemantera ireto teo am-piandohana rehefa nanomboka ny fandraisana fitenenana noho ny fiheveran’ny vahoaka fa famadihana ny filoha Marc Ravalomanana no nataon’izy ireo amin’izao fidirana ao anatin’ny rafitry ny tetezamita izao, satria raha ny nifanarahana, hoy ireo vahoaka dia mody ny filoha Ravalomanana vao mitohy ny fifampiresahana amin’ny mpanongam-panjakana saingy tsy toy izany ny sary hitan’ny olona. Voalaza mantsy teo aloha fa hiala ireo minisitra rehefa tsy mahatafody ny filoha kanefa efa herinandro vitsy izay no lasa toa tsy hita taratra ny vokany ary dia izao niampy ny fidirana ao amin’ny Kongresy sy Filankevitra ambonin’ny tetezamita izao indray. Nitondra fanazavana moa ny Depiote José ka nilaza teo imason’ny vahoaka fa tsy misy famadihana ny filoha hatreto fa ny fanafainganana ny fodiany no tena nidirana ao amin’izao rafitra izao satria efa nanao sonia ny tondrozotra isika ka tsy maintsy manaraka izay voalaza ao aloha ka raha vao misy ny tsy fahatanterahan’izay voasoratra toy ny filazana fa vao hodinihina ny fodian’ny filoha Ravalomanana dia hiala avy hatrany ireo parlemantera ankolafy Ravalomanana n’inona n’inona ataon-dRajoelina.

Nampahafantarina ny vahoaka ihany koa fa efa nifanarahana tamin’ny filoha Ravalomanana avokoa ny anaran’ireo olona rehetra natolotra ireo ary efa nifanaiky avokoa fa hiaraka hiala avokoa amin’izay fotoana ilana izany. Nohamafisin’ireto Parlemantera ireto fa na dia ao anatin’ny rafitra aza izy ireo amin’izao fotoana dia tsy hitsahatra ny ho eny an-kianja mandra-pahatonga eto Madagasikara ny filoha Ravalomanana. Notsindrian’Atoa Lanto Rabenatoandro moa fa ilaina amin’izao fotoana ny fidirana amin’ny rafitra satria mivoatra tanteraka ny politika ka ao anatiny no hiady sy hifandresy lahatra ka ho hita eo ny tohiny ary tsy midika fa hijanona ao ny fanatrehana ny fivoriana voalohany iny.

Notsindriana mafy moa fa baiko fotsiny avy amin’ny filoha no andrasana fa raha vao miteny izy fa miala dia efa vonona amin’izany daholo ny avy amin’ny ankolafiny. Mahakasika ny filazana fa ho tonga ny sabotsy teo ny filoha dia efa nisy filazana nialoha ny tsy haharaikitra izany fa ny sasany no tsy naharaka ny fampitam-baovao fa ny azo antoka dia efa manomana ny fankalazana ny tsingerintaonan’ny Filoha eto an-toerana avokoa ny mpikarakara ary anisan’izany ny fikarakarana ny fodiany amin’izao fotoana izao ary tsy miady irery ny ankolafy Ravalomanana fa mbola ao an-damosina, hoy izy, ireo masoivohon’ny firenena maro be manaraka akaiky ny fampiharana ny tondrozotra ka mila mifampatoky ny mpitolona ary mino fa tsy ho ela intsony ny fahatongavan’ny filoha ary nolazainy fa tsy afenina akory izany fa hangotraka tanteraka ny fitsenana azy ary efa mipetrapetraka tanteraka ny fomba hiarovana ny ainy eto Madagasikara. Ny isavorovoroana tokoa ilantoana ka dia niravona ilay resabe nahakasika ny fanendrena ireto mpikambana ao amin’ny Parlemantan’ny tetezamita ireto io hariva io. Ho hita eo ny tohiny fa dia efa liana te hahita ny filoha Ravalomanana ny vahoakan’Antsirabe.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT