Teraka ihany ! Nivoaka omaly alarobia 13 febroary nandritra ny filankevitry ny minisitra natao teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha izy 44 mpikambana ao amin’ny Filankevitry ny fampihavanana malagasy na FFM, rehefa nampifanolana ny fiarahamonim-pirenena sy ny fitondrana tetezamita nandritra ny efa-bolana teo.
Ho an’Alaotra Mangoro, dia voatendry Razanakaharimanana Irène Claire Lydia sy Ratsimisetra Andrianantenaina F.R. Misy an-dRamarolahy Albert sy Razafimaharo Benjamin ny an’ Amoron’i Mania. Samy pastera FJKM dia Ramino Paul Abraham sy Razafindramanitra Nestor ny solotenan’Analamanga. Issouf François sy Malo Benoit ny an’Analanjirofo. Anjarasoa Haova Pulchérie Suzanne sy Mara Edouard Ramanevy ny an’Androy. Fanjarasoamana sy Soahavandrainy Rabodonirina Pierrette ho an’ny faritra Anosy. Fida Cyrille sy Booz Godefroy Aimé ho an’Atsimo Andrefana. Pascal Jean sy Ranaivoson ny an’Atsimo Atsinanana. Ratsara Laurent sy Felicie Marie Gisèle ho an’Atsinanana. Ralalanirina Marguerit Gallot sy Ramaroseheno Nemèse ny an’i Betsiboka. Soudjay Bachir Adehame sy Douai Marcelin ho an’i Boeny. Rakotonirina Andriantsimiala Fanomezantsoa sy Mampisanjy Michel ny an’i Bongolava. Oustaz Boina Idi Madi M’ze sy Jaonosy Sylvia Joceline ny an’i DIANA.
Rakotomamonjy André sy Rafolisisoa Herindravaliantsara no solontenan’i Ihorombe. Razafimbelo Andriamanana Gaston sy Ranomenjanahary Manjatosoa Violette ho an’Itasy. Raherisoanjato Daniel sy Ratongavao Charles Raymond an’i Matsiatra Ambony. Rajafetra Jaona Andrianjafy sy Sebany Norbert ho an’i Melaky. Kamamy Magloire sy Simon Victor ny an’i Menabe. Finomana Ernest sy Sida Zarazafy ho an’i SAVA. Tsisarotina Mena Sallah sy Sajy Pierre ny an’i Sofia. Randriamampionona Lalao Florence sy Rakotondrasoa Daniel ho an’i Vakinanakaratra ary Rakotoson Jobily sy Razafiarisony Emmanuel Désiré ny solontenan’i Vatovavy Fitovinany.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.