Politique

Mpikambana FFM Tsy fanta-piaviana ireo solontenan’ny Faritra Anôsy ?


  • Alarobia 27 Febroary 2013

Miteraka resabe ankehitriny ny fanendrena ireo olona roa solontenan’ny Faritra Anôsy ho mpikambana ao amin’ny FFM (Filankevitry ny fampihavanana malagasy).

 Nisy 25 mianadahy mianaka ireo kandida ho an’ny Faritra Anosy ary samy nandalo fanadihadiana ara-moraly. Re anefa izao fa tsy tao anatin’io lisitra io ireto solontena roa notendrena amin’ny anaran’ny Faritra Anôsy ireto fa kandida natsotsorika avy eto Antananarivo. “Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ireo olona roa ireo hiatrika ny asa sy ny andraikitra hankinina amin’izy ireo raha olona tsy mahalala ny zava-misy any an-toerana no napetraka amin’ny toerana tsy mifanandrify aminy ?”, hoy ny fanontaniana avy amin’ireo fikambanana samihafa sendra ny Tia Tanindrazana ? Raha tiana ho tratra ny tanjona amin’ny alalan’ny asany ny FFM, hoy izy ireo, dia ny fanoloana ireo olona tsy fanta-piaviana ireo no vahaolana. Famitaham-bahoka sy fambotriana ny firenena ny fiziriziriana amin’ny fitazonana ireo lazaina fa FFM solontenan’ny faritra Anôsy ireo.

Natiora OTH

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT