Politique

Mpikambana FFM Ho fantatra rahampitso alarobia


  • Talata 12 Febroary 2013

Rahampitso alarobia indray vao ho fantatra ny anaran’ireo olona 44 handrafitra ny Filankevitry ny fampihavanana malagasy na ny FFM, raha toa ka tokony ho efa nivoaka omaly alatsinainy 11 febroary izany.

 Araka ny fanampim-baovao azo dia mbola misy ny fandinihana lalindalina kokoa ny antontan-taratasy sasany, ka izay no nahatonga izao fampihemorana izao. Azo itarafana ny mbola fisian’ny olana amin’ny fanendrena ireo mpikambana ao amin’ny FFM ity fampihemorana (indray) ny famoahana ny anarana ity, sy ny fandinihan’ny ministera miandraikitra ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana ny antontan-taratasy sasany, eny fa dia efa nisy telo volana aza nandinihana azy ireo.

Efa nisy ireo olona tsy tena nahatokisan’ny maro, voafidy ho mpikambana tao amin’ny FFM, ka nahatonga ny savorovoro teo aloha teo, heverina ary fa efa nahazo lesona ny tompon’andraikitra ka tsy hamerina ny fahadisoany intsony. Ekena fa tena ilaina tokoa ny traikefa ananan’ireo zokibe dinaozoro sasany saingy maro be koa ny olom-baovao mahazaka tsara io asa lehibe momba ny fampihavanam-pirenena io, fa tsy voatery ny tonta foana no avadibadika e !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT