Resabe mihitsy indray ity raharaha Tiko Andranomanelatra ity amin’izao
fotoana satria dia lasa ambetin-dresaky ny olona ao Antsirabe
isan’andro.
Hatramin’izao hanoratana izao dia tsy mbola nisy aloha ny
fangejana ireo fananan’ny Tiko na dia voalaza aza fa misy ny baiko
fanerena ny mpitondra ao amin’ny faritra hanantanteraka ny
fanagiazana ka hitady “Vadintanin’ny fitsarana” afaka manao izany
faran’izay haingana. Raha ny re ihany dia efa nisy ny fiantsoana
ireo vadintany tao Antsirabe saingy nisy ny nandà nivantana ka
tsy fantatra izay ho tohiny. Re ihany koa fa dia nahazo
fandrahonana ireo mpikambana ao amin’ny CT tonga marobe tany Antsirabe
ary nisy mihitsy ny iraka naka an-tsokosoko ny anaran’ireo CT tonga
ao Antsirabe ireo sy nizaha izay toerana hitobian’izy ireo ao
Vakinankaratra. Nambaran’izy ireo fa matoa tonga
dia efa vonona hiatrika izay ataon’ny FAT. Efa fantantr’izy
ireo mantsy fa resaka politika ranofotsiny sy fandemena ireo zanak’i Dada no
tanjon-dRajoelina sy ny ekipany. Raha ny sorabaventy nentin’ireto
mpikamban’ny CT ireto dia hafatra miantefa any amin’Atoa Hajo Andrianainarivelo praiminsitra lefitra misahana ny fanajariana ny tany sy
Razanamahasoa Christine, minisitry ny fitsarana, avy hatrany izay ambaran’izy ireo fa anisan’ireo mpanome baiko amin’ity famotehana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Tantara mitohy, araka izany, ity rahraha Tiko ity ka dia hiaraha-mahita eo indray izay
mety ho tohiny.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.