Politique

Mpikambana CST “Menatra izahay fa tsy misy hasiny”


  • Sabotsy 15 Septambra 2012

Tena menatr’olona izahay, hoy ireo mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita maromaro tafaresaka tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny Lapan’Anosikely teny tamin’ity herinandro ity.

 Voalohany aloha, hoy izy ireo, dia nantsoina hivorivory tao amin’ity Lapa ity izahay fa hoe handinika ny toe-draharaha any atsimo, izay efa mampiteny ny moana mihitsy ankehitriny. Dia avy amin’ny alalan’ny vaomiera isan-tokony ao anatin’ity andrimpanjakana ity no niantsoana anay, hoy izy ireo, nefa rehefa tena dinihana ny lalàna manankery dia tsy azo atao izany fivoriam-baomiera izany raha tsy ao anatin’ny fotoam-pivoriana ara-dalàna.

Faharoa, hoy izy ireo, dia iny niaraha-nahita iny fa tsy nasian’ny mpanatanteraka “sira” akory ny tolokevitra ary tsy mba nangalan-dry zareo hevitra akory izahay na dia kely aza fa dia iny izy ireo no lasa nitari-tafika hisambotra ny dahalo tarihan-dRemenabila hono. Amin’izay indray tsy mba nentina teo anilan’ny Filohan’ny tetezamita akory ny filoha lefitry ny CST Maharante Jean de Dieu izay zanak’iny Faritra iny sady mba mety mahafantatra ny ampahany maro amin’ny tena zava-mitsy any amin’iny toerana iny. Raha izahay no teo amin’ny toeran’ny filohan’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, ny CST Dolin Rasolosoa sy ny filohan’ny vaomieran’ny filaminana sy ny fiarovam-pirenena, ny CST Alain Ramaroson dia ho nametra-pialana avy hatrany izahay fa tena fanalam-baraka ny tahaka ireny. Efa tsy hasian’ny olona hasiny ve… tsy aleo manaja tena ?

Manohy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT