Politique

Mpikambana CENI Rafolisisoa Hanitriniala no solontenan’ny Acces Zon’olombelona


  • Alarobia 22 Febroary 2012

Tontosa tamim-pilaminana tao amin’ny Mon Gouter Andrefan’Ambohijanahary omaly ny fifidianana izay ho solontenan’ny Acces Zon’olombelona ho mpikambana eo anivon’ny Birao mahaleotena momba ny fifidianana na ny CENI.

 Voafidy tamin’izany Rafolisisoa Hanitriala, filohan’ny UNMDH. Isam-bato 50 tamin’ny 58 no nahalany azy, izany hoe : 86 % raha resaka salan’isa. Roa kosa ny kandida nifaninana taminy. Tao anatin’ny hafaliana tanteraka no nandrenesan-dRafolisisoa ny vokatry ny fifidianana izay nanomezany toky ireo mpandatsa-bato rehetra fa vonona ny tenany hanao ny tsara kokoa hatrany, indrindra fa ny fiarovana ny zon’ny tsirairay amin’ny fiatrehana malalaka ny fifidianana, anisan’ireny ireo vehivavy miaina eny anivon’ny tontolo ambanivohitra. Mbola betsaka mantsy, hoy izy ireo vehivavy tantsaha no tsy manana kara-panondro izay mitarika azy ireny tsy hiditra anaty lisi-pifidianana ka tsy hahafahany mifidy malalaka. Sarotra ny asa miandry, hoy ihany izy saingy nanambara ny tenany fa vonona ny hiantsoroka sy hanatanteraka izany araka ny tokony izy hisian’ny fifidianana marina sy mangarahara eto amin’ny firenena.

Pati

Sary : Hanitriniala Rafolisisoa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT