Politique

Mpikambana CENI Hifidy izay ho solontenany ny mpitsara rahampitso


  • Alatsinainy 20 Febroary 2012

Rahampitso talata 21 febroary no hotontosaina ny fifidianana izay ho solontenan’ny mpitsara ao amin’ny CENI.

 Anisan’ny kandida amin’izany Rakotomahanina Andrianiaina Franklin James, 37 taona, mpitsara ara-bola, izay filoha lefitry ny Sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM). Nametra-pialana tsy ho anisan’ny Birao SMM moa ny tenany mba tsy hampifangaro andraikitra. Ho fanajana ny sata fototra sy ny kolontsaina demokratika, ny zon’olombelona mahakasika ny fifidianana, ny fahaleovantenan’ny CENI, ny fanamafisana ny tany ho tan-dalàna ary ny fandriampahaleman’ny vahoaka mpifidy ankalalahana, ny tsy fiandaniana marina no antony hirotsahany. Ny Mpitsara zokiolona indrindra no hitarika ny fandatsaham-bato ataon’ny mpitsara rehetra am-perinasa. Fa tontosa ny sabotsy 18 febroary teo kosa ny fifidianana izay ho solontenan’ny Holafitry ny mpisolovava ao amin’ny CENI, ka voafidy tamin’izany ny Me Randranto André. Efa filohan’ny Holafitry ny mpisolovava teo aloha ity farany. Enina ny kandida nifaninana tamin’ity fifidianana ity, izay nandraisan’ireo seksiona folo manerana ny Nosy.
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT