Politique

Mpikambana AV7 Notapahan’ny prezidansa ny fanampiana


  • Sabotsy 07 Mey 2016

Velon-taraina ireo mpikambana miisa 219 eo anivon’ny AV7, fikambanan’ireo niharam-boina tamin’ny 7 febroary 2009,

 

 fa notapahan’ny prezidansa ny fanampiana ara-bola fandrain’izy ireo isam-bolana. Roa hetsy Ariary isan’olona isam-bolana izy ity. Ampanantenaina asa izahay nefa tsy fantatra na ny fotoana handraisana anay na ny orinasa handray anay, hoy ny mpikambana tonga maro teo Ambohitsorohitra omaly. Maro aminay ihany koa no tsy afaka ny hiasa intsony noho ny takaitra ara-batana taorian’iny raharaha 7 febroary 2009. Misy ihany koa no efa be taona ka tsy azo raisina hiasa intsony, hoy hatrany ny fanazavan’izy ireo. Nifamotoana teo Ambohitsorohitra moa ireto mpikambana AV7 ireto omaly, nangataka fihaonana amin’ny filohan’ny Repoblika mba hanohizana ny fanampiana efa fandrain’izy ireo isam-bolana io, hisahanana ny fitsaboana. Fantatra, araka ny vaovao farany, fa haloa amin'ny fiandohan'ny herinandro ho avy io ny vola fandrain'ny AV 7 isam-bolana, taorian'ny fihaonana tao Ambohitsorohitra omaly tolakandro.

Jean D.

Mpikambana AV7 tonga teny Ambohitsorohitra omaly (sary Rakotobe Michel)

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT