Sady fiverenana indray amin’ny asa aman-draharaha taorian’ny fialan-tsasatra no natokan’ny governemanta iarahabana ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier ny omaly alatsinainy
.Tonga teny Mahazoarivo ireo minisitra niarahaba, sy nirary soa ny lehiben’izy ireo noho izao taom-baovao 2017 izao.Nanatanteraka ny adidiny toa izany ihany koa ireo mpiara-miasa amin’ny praiminisitra eo anivon’ny primatiora.Fifampirarian-tsoa amin’ny maha mpiara-miasa fa indrindra ihany koa fa main’ny maha isan’ireo ray aman-dreny eto amin’ny firenena ny praiminisitra.Nisaotra ny praiminisitra no sady namporisika ny rehetra mba hiasa hatrany.Tsy ny minisitra rehetra moa no tazana teny Mahazoarivo io omaly io fa ny ampahany ihany.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.